Politique

Olona efa nohelohin’ny fitsarana Kandidam-panjakana amin’ny fifidianana


  • Alakamisy 17 Oktobra 2019

Araka ny didin’ny fitsarana ambony ady sivily laharana CATO-165-CO/18 ny 07 martsa 2018 dia nivoaka ny didy raikitry ny fitsarana teo amin’ny adin’ny Kin mpitory sy Randrianasolo José Clément ben’ny

 

 

 

 

tanàna tao Vohitranivona Brickaville. Ny antony dia ny fanaovan’ity farany fisandohana antontan-taratasina tanin’olona tany an-toerana. Raha nivoaka ny didy teo anivon’ny fitsarana ambony dia tsy afa-po noho ny fahareseny teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ilay ben’ny tanàna. Roa taona tsy mahazo manao asam-bahoaka no saziny sy mandoa lamandy iray tapitrisa ariary ary mandoa onitra sivily 10 tapitrisa ariary ihany koa. Efa namoahan’ny fitsarana roa taona tsy afaka manao asam-bahoaka izy nefa dia kandidam-panjakana ao Vohitranivona Brickaville amin’izao fifidianana izao. Ny Didy sivily avoakan’ny fitsarana ambony anefa no didy raikitra amin’ny ady tahaka izao ka mila hahatra avy hatrany. Amin’ny maha kandida azy anefa dia anarany ny ao anatin’ny bileta tokana hofidiana satria efa neken’ny CENI ny  maha kandida azy ka tsy azo esorina intsony ao anatin’ny bileta tokana hampiasaina. Fa efa lasa fieren-jiolahy ve ao anaty fanjakana ?

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT