Politique

Olona avy any amin’ny faritra Tonga manokana teto hitsena an-dRavalo


  • Alatsinainy 23 Janoary 2012

Ny alakamisy na zoma no niaingan’ireo avy any amin’ny faritra hitsena ny filoha Ravalomanana.

 Hadisoam-panantenana sy lakrimozena anefa no nitsena azy ireo teto an-drenivohitra. Saika nahitana solontena teny Ivato avokoa ireo Faritra 22. An’arivony, araka izany, ireo olona avy any amin’ny faritra no nirodorodo teny Ivato, samy nanana ny lamina sy ny fomba nahatongavany teto an-drenivohitra izy ireo.

Félicien, Ampasimazava, Toamasina : “Hitsena an’i Dada no alehanay aty. Ny zoma tamin’ny 9 ora sy sasany alina izahay no tonga teto ary hiverina izao. Tsy nahafaly anay ny zavatra nataon’ny FAT. Tsy navelany nidina ny Dadanay fa hoe nisy izany NOTAM izany”.

Edwige, Vatomandry : “Tamin’ny 10 ora alina izahay no niainga tany. Diso fanantenana aho kanefa kosa manam-pinoana sy fanantenana fa tsy maintsy tafaverina eto Prezidà. Ratsy toetra be ilay fanjakana”.

Christine, Mahajanga : “Hiverina anio ihany izahay. Tsy avy i Dada, izahay anefa tsy kivy. Mino fa tsy maintsy ho avy Dada”.

Léonard, Andramasina : “Ny zoma tamin’ny roa tolakandro aho no nianga tany dia tonga teto an-drenivohitra tamin’ny enina hariva ka mipetraka any amina fianakaviana. Izaho tsy mody raha tsy tafaverina eto i Dada. Raha navelan-dry zareo nody nalalaka i Dada dia tsy tezitra ny olona”.

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT