Politique

Olon’ny tetezamita Matahotra fifidianana


  • Talata 19 Jolay 2016

Efa manakaiky ny taona 2018 izay hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara.

 

         Samy manana ny kajikajiny avokoa ireo antoko sy vondron’antoko hahafahana mampandany ny olony. Misy anefa ankehitriny ireo izay tsy te hiandry izany fotoana izany ka mikononkonona korontana miafara amin’ny fanonganam-panjakana toy ny tamin’ny taona 2009. Ireo efa malaza ratsy amin’ny resaka fanonganam-panjakana indray ankehitriny no mikotrika azy io. Manaporofo izany ny feo miely amin’ny fisian’ireo mpanao politika efa manangona andian’olona hanakorontana. Matahotra ny tsy ho lany izy  ireo noho ny laza ratsiny tamin’izy ireo mbola teo amin’ny fitondrana ka fanonganam-panjakana no heverin’izy ireo ho vahaolana hahafahana miverina eo amin’ny fitantanana ny firenena. Tanjony ny haka fahefana  mialoha ny fotoana ka raha ho avy ny fotoana hanatanterahana ny fifidianana dia izy ireo no hikarakara ny fifidianana ary dia ho mora aminy ny hampandresy ny olony toy ny zava-nisy tamin’ny taona 2013 izay nampandaniany an’ingahy Hery Rajaonarimampianina, izay kasainy haongana indray ankehitriny. Iaraha-mahita ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ankehitriny izay tena efa mampikaikaika vahoaka saingy raha hisy ny fanonganam-panjakana dia ho mafy noho izao ny fahoriana hianjady amin’ny Malagasy. Ny olana eto amin’ny firenena dia hain’ny mpanao politika ny mandrava fa sarotra kosa ny mifanome tanana hanorina mba ho tombontsoan’ny maro an’isa raha tena tombontsoan’ny firenena marina no tadiavina. Tsy izay anefa no zava-misy ankehitriny fa ny handrava sy ny hahazo seza ihany no mahamaika. Tsy hisy eto amintsika mihitsy ve ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika izay tafiditra ao anatin’ny soatoavina repoblikanina ? Azo atao tsara ny mifanaraka amin’ny alalan’ny fifidianana mialoha ny fotoana  izay azo tanterahina ao anatin’ny 6 volana rehefa tena halohalika ny ranombary. Tsy vahaolana, araka izany, ny fanonganana izay midika fanapotehana indray satria tsy maintsy handalo krizy vaovao indray ny firenena.

                                                                                              Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT