Araka ny efa notaterina teto dia manahy valifaty politika ny olon`ny HVM.
Anisan’ny porofo iray maneho izany ny fanagadrana ireo rehetra tsy mifanaraka amin’ny mpitondra fanjakana amin’ny ankapobeny. Nisantatra izany i Hugues Ratsiferana, nanaraka azy i Mbola Rajaonah. Anarana depiote, minisitra, olona akaiky na fianakaviana ny filoha Hery Rajaonarimampianina no voatonontonona fa hosamborina. Ny fitsarana no nampigadra saingy kosa mety nisy ny baiko azon’izy ireo tany ambadika tany. Hanao inona tokoa moa ny fitsarana raha mbola misy ny teritery sy ny tsindry bokotra maro samihafa mianjady aminy. Mikendry hametraka ny olony ny fitondram-panjakana ka na eo amin`ny sehatra iraisam-pirenena aza. Masoivoho 9 sy solontena maharitra ao anatin`ny kaomisionina ara-toekarena Malagasy eo amin`ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa no nampiatoana tamin`ny asany araka ny didim-panjakana nivoaka tamin`ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo. Olon`ny antoko HVM avokoa ny ankamaroany. Valifaty tokoa ny zava-misy ankehitriny raha zohina satria tsy zakan`ny ekipan-dRajoelina ny antsojay nahazo azy ireo tamin`ny fitondrana Rajaonarimampianina. Ohatra, ny fisavana tranon`i Mamy Ravatomanga, filoha tale jeneralin`ny vondron`orinasa SODIAT, ny taona 2016. Nisy ihany koa ny didy fampisamborana an`ny loholona Lylison de Rolland. Namoahana didy tsy mahazo mivoaka an’i Madagasikara moa ity loholona ity avy eo karohina fatratra satria mila atao fanadihadiana tamin`izany. Ankoatra azy mirahalahy ireto dia mbola nisy mpandraharaha teratany frantsay nosavaina trano ihany koa teny Ambatomaro. Mihorohoro ireo mpanao afera manana dosie nandritra ny fitondrana HVM ka tonga amin’ny angady sy ny harona ny fitondrana IEM. Tsy vahaolana fifandrafesana sy fifanaratsiana fa mila miombon-kery sy mampiseho firaisankina ny mpanao politika na dia samy manana ny foto-kevitra ijoroany aza. Raha te hametraka fanjakana tan-dalàna dia ny fitondrana tan-dalàna aloha no tsara hamafisina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.