Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina omaly.
Nambarany fa mila mahay misafidy izay ho solombavambahoakany ny olom-pirenena feno taona rehetra amin’ny 27 mey ho avy izao fa tsy entin-kafanam-po fotsiny. Ny depiote no akaiky ny vahoaka ary azo hitarainana tsara satria mahita ny eny ifotony. Ankoatra izay dia nitondra vahaolana mikasika ny fomba hahafahana mampandroso ny firenena haingana ihany koa Rafanomezantsoa Jean Nirina mba hisy fiantraikany any amin’ny aty vilanin’ny mpiara-belona. Ny fanomezan-danja ny fiarahamonim-pirenena ihany no zava-dehibe satria izy ireny no mampihatra ny ara-drariny fa mijanona eo amin’ny ara-dalàna hatrany ny fanjakana. Ankoatra izay, ny fiarahamonim-pirenena no tena mahita ny fahoriam-bahoaka sy ny fahasahiranany toy ny fanajana ny zon’olombelona… ka mila jeren’ny fitondram-panjakana akaiky.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.