Politique

Olom-pirenena mandray andraikitra Andiana tanora nanadio ny moron-dranomasina


  • Alatsinainy 23 Septambra 2019

Vondrona tanora vitsivitsy monina ao Toamasina I no tonga saina sy resy lahatra fa zava-dehibe ny fahadiovana.

 

 

Tsy niandry kaominina, tsy niandry fanjakana izy ireo fa nandray andraikitra ary nanapa-kevitra avy hatrany fa hanadio ny moron-dranomasina ka hanala ireo karazam-pako. Samy nivatsy fitaovana avy any an-tranony toy ny angady, rateau, gony, fandraofam-pako dia nikatroka avy hatrany ny omaly alahady. Serasera nampitaina tamin’ny samy mpinamana ary naparitaka tao anaty facebook no niantsoana ireo mazoto tamin’izao fiandohany izao. Maro ireo namaly ny antso ary nisy ny olona tsara sitrapo nanolotra fiara be hitaterana ny fako voaangona. Soa fianatra ho an’ny rehetra izao fihetsiky ny tanora tao Toamasina izao ary inoana fa fanombohana ihany iny fa mbola ho be ny sisa. Azo antoka fa hitarika tsimoramora ny fiovan’ny toe-tsain’ny tsirairay ho tompon’andraikitra kokoa ny hetsika tahaka izao. Tena loza ho an’ny tontolo iainana, ny fahasalaman’ny isam-batan’olona ny fako misavovona izay avy amin’ny olombelona ihany. Ny samy olombelona ihany no tokony hahay hitandrina sy hanadio fa tsy hiandry fahagagana ka hoe hanjavona ho azy eo ny fako.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT