Tsy nahenoana vaovao aloha hatreto ny momba an’ilay fakana an-keriny ilay karana tompon’ny orinasa mpivarotra volamena Kalidas eny Analakely, niseho teny Antanimena akaikin’ny Villa Pradon, andro vitsy lasa izay.
Tahaka ireny amin’ny sinema ireny mihitsy no niseho, ka toy ny mijery ireny Mafia any Italia na any Rosia manao ny asa ratsiny ireny mihitsy ny sary miraikitra ny fihetsik’ireo olon-dratsy. Tokony hihinana fanafody io karana nalaina an-keriny io noho ny aretim-po mahazo azy kanefa tratry ny fakana an-keriny.
Miraviravy tanana ny rehetra
Tsy hidirana lalina ny hoe karana na Malagasy na mahantra na manankarena no lasibatra fa eo amin’ilay lentan’ny toe-tsaina manoloana izany no hisintonana ny sain’ny rehetra. Manana fitaovam-piadiana ny mpanao asa ratsy, saingy mba mety misy ihany ny azo atao. Ao anatin’ny fitohanan’ny fiara no mandeha ny asa ratsy, ary mety fomba azon’ny rehetra atao, ohatra, ny mihorakoraka mifanaitra, ary ny fiara tonga dia samy mitsivalana mibahan-dalana. Toa tsy tonga saina amin’izany ny olona fa matory ny saina aman’eritreritra, ka ny vatana nofo aman-dra fotsiny no eo. Zary fomba fiteny tsy lefin’ny andro sy ny fotoana ilay hoe: “ny firaisankina no hery”, fa ny mitangorongorona mitazam-potsiny no ataon’ny maro. Tsy an-tsaha, tsy an-tanàna ny fanafihan-jiolahy, fanendahana, harom-paosy, fakana an-keriny, saingy ny manampy ny hidin-trano no ataon’ny olona, raha misy miantso vonjy any ivelany. Fahita eto Antananarivo, ohatra, ny fanendahana sy harom-paosy eny an-tsena na eny an-dalambe, ary mandeha ny antso vonjin’ny lasibatra. Tazanim-potsiny ny mpanao ratsy manao tari-dositra, ka ny lasibatra indray no voaeso indraindray. Amin’ny zava-tsarotra efa mihatra aman’aina tahaka ireny aza ny rehetra tsy taitra sy toa miteny hoe: “samy miaro ny rambony tsy ho tapaka io”, mainka fa amin’ny zavatra tsy tsapany sy miantraika amin’ny fiainany mivantana, toy ny hoe fanaovana adidy amin’ny fifidianana ka handeha hanamarina ny anarana ao anaty lisitra. Ny miditra any am-bilany sisa no mampiasa ny sain’ny maro, fa izay hijery lavitra sy handray andraikitra amin’ny maha olom-pirenena tsy misy intsony. Lany andro manakiana mpitondra sy mpanao politika fa tsy mahatsapa hoe inona no andraikiny manoloana izany. Mila famerenan-doha sy fanabeazana maha olom-pirenena ny Malagasy, ary izany no ilana ireny firaisamonim-pirenena sy fikambanana samihafa izay misavovona eto amin’ny firenena ireny. Tena mahavita ny adidiny ve izy ireo sa variana mibizina sy manao politika na mitangirika famatsiam-bola fotsiny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.