Politique

Olom-panjakana ambony Henatra ho an’ny vahoaka Malagasy


  • Alarobia 20 Aprily 2016

Nomena andraikitra sy nampindramin’ny vahoaka fahefana ireo mpitondra fanjakana.

Adidin’izy ireo amin’izany ny manao ho vaindohan-draharaha ny tamberin’andraikitra mikatsaka ny tombontsoan’ny mponina ao aminy, hoy ny Fikambanana firaisamonim-pirenena. Tsy hita taratra amin’ireo olom-panjakana ambony anefa ilay toetra mendrika misaina ny hoavin’ny firenena sy ny taranaka fa mbola mandova ny fomba fiasan’ny tetezamita. Tsy mitsaha-mitotongana ny fiainam-pirenena ary mihamahantra sy mihaosa isan’andro ny mpiray tanindrazana noho ny tsy fisian’ny politika fampandrosoana sy sosialy tena maharitra miaraka amin’ny tombontsoa mivaingana. Toa faly mifanilika andraikitra fotsiny ihany koa ny mpitondra manoloana ny tsy fahombiazana hanjakan’ny fitiavan-tena tafahoatra sy ny akamakama, ny kolikoly avo lenta ary ny gaboraraka. Efa manala azy amin’ny teny maneso sy fanarabiana ireo fikambanana iraisam-pirenena sy firenena vahiny. Tsy mahatsapa tena ho tompon’andraikitra voalohany amin’ny raharaham-pirenena mihitsy anefa ny filohan’ny Repoblika fa variana manovaova mpiara-miasa matetika. Henatra ho an’ny vahoaka Malagasy reraka sy resin’ny fahantrana ny fijoroan’ireo olom-panjakana ambony tsy mahatsapa akory ireo filàna fototra toy ny asa, trano fonenana, fahasalamana, fanabeazana  ary fanjariantsakafo, hoy ny Vovonana sy fikambanana ao anatin’ny Rohy.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT