Politique

Olom-boafidy mpamadika palitao Metimety kokoa aminareo ny miala TIM, hoy i Dada


  • Alatsinainy 04 Jolay 2016

Voalaza mazava ao anatin’ny fifanarahan’ireo firenena 15 mpikambana ao amin’ny «Southern African Development Community»

ny tsy fahafahan’ny mpanao politika iray mivadibadika antoko, araka ny fampahatsiahivan’ny filoha nasionalin’ny Tiako I Madagasikara Ravalomanana Marc. Zon’ireo misintaka ao amin’ny antoko iray kosa ny manangana antoko iray vaovao mba ialana amin’io fomba mamohehatra mamotika ny firenena io tahaka ny zava-misy eto Madagasikara hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantenantsika ny taona 1960. Tsy dia olana loatra ho an’ny antoko politika ny fialan’ny mpikambana ao aminy fa tena misy akony ratsy eo anatrehan’ny vahoaka sy ny firenena iray manontolo kosa, hoy ny lehiben’ny antoko TIM. Azo adika ho fivadiham-pitokisana eo anatrehan’ireo olom-pirenena nametraka ny safidiny amin’ireo olom-boafidy mantsy ny famadihana palitao tampoka avy amin’ireto farany. Tsy mendrika ary mety kokoa ho azy ireo ny mametra-pialana, hoy i Dada nandritra ny fihaonamben’ny antoko Tiako I Madagasikara teny Ilafy ny faran’ny herinandro teo. Tsy nanonona anarana mazava i Marc Ravalomanana tamin’ny sabotsy saingy azo antoka fa voatsindry paingotra manokana tamin’izao fanamarihana nataony izao ny depiote TIM voafidy teny Avaradrano Andriamitansoa Benjamin.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT