Politique

Olom-boafidy Mila manova toetsaina sy manaja lalŕna


  • Talata 14 Febroary 2017

Fanenjehana tsy mitombina ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoakan’i Madagasikara ao amin’ny boriborintany faha-5 Raholdina Naivo milaza ny fampidiran’ny ben’ny tanŕna Lalao Ravalomanana politika ny fampiasana ny tetibolan’ny CLD

 

(Comité Local de Développement) sy ny fanovan’ny Fiadidiana ny tanàna ireo tetikasa novolavolain’ny komity ifotony misahana ny fampandrosoana. Mpiara-mitantana mandrafitra ity farany avokoa mantsy ireo olom-boafidy toy ny ben’ny tanàna miaraka amin’ireo mpanolotsaina sy ireo depiote raha tompon’andraikitra voalohany amin’ny lafiny famoaham-bola ny lehiben’ny distrika, izany hoe fanapahan-kevitra iombonana vao mivoaka ny vola fanatontosana ny asa, hoy ny filohan’ny Vondron’Olon-Tsotra Ravaoniriana Sarah Zoé. Zava-dehibe rahateo ny fanovana toetsaina sy ny fanajana ny lalàna ialana amin’ny fampifangaroana andraikitra tsy mampandroso ny fiarahamonina. Andraikitry ny solombavambahoaka ny mitondra ny hetahetan’ny mponina sy manara-maso ny asa natao. Adidin’ny fahefana mpanatanteraka kosa ny mijery ifotony ny zava-misy marina ahafahany mamaritra ny tena laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka izay mifototra amin’ny fitoniana, fampandrosoana ary fianakaviana vanona ho an’ny ekipan’i Neny manokana. Misokatra rahateo amin’ny fifanatonana sy fifampiresahana hatrany ny Fiadidiana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy ity mpanatontosa iraka eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ity.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT