Politique

Olivier Rakotovazaha "Tsy resaka isa io fa teny ierana"


  • Talata 28 Aogositra 2012

Hatramin'ny nanombohan'izy ireo niverina niasa tao amin'ny tetezamita dia nanambara ireo mpikambana avy ao amin'ny ankolafy Ravalomanana fa misy ireo lalàna mila averina ny fandinihana sy fandaniana azy.

 Manazava ny anton'izay Atoa Olivier Rakotovazaha, mpikambana CST avy amin'ny ankolafy Ravalomanana. "Niditra tao amin'ny tetezamita izahay mba hisian'ny fiaraha-mitantana. Ny zava-nisy anefa dia indraindray misy fanaovana am-pitaka ihany. Tamin'ny fandaniana ilay resaka famotsoran-keloka, ohatra, dia nahatsiaro voafitaka izahay. Nambara fa hoe rahampitso maraina, vao atao ny fandinihana satria tsy mbola voaray ilay volavolan-dalàna. Kinanjo novitaina ny harivan'io tamin'ny 6 ora ilay izy, ary tsy nampandrenesina izahay. Ka ahoana moa no hanekenay fomba fiasa tahaka izany ?" Nomarihan'i Olivier Rakotovazaha fa tsy ny maro an'isa no mandidy sy manapaka ao anatin'ny tetezamita, fa teny ifampierana sy ifanekena avokoa ny fanapahan-kevitra rehetra. Izay no voasoratra ao amin'ny tondrozotra. Tsy voalaza ao anatin’ny sori-dalana koa ny resaka fanapahana karama, hoy ity parlemantera ity. Nomarihany ihany koa fa ny ankolafy Ravalomanana dia manaja ny andininy rehetra ao amin'ny tondrozotra ary tsy maintsy ampiharina manontolo izany. 

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT