Politique

Olivier Rakotovazaha « Tsisy adihevitra fa antsika ireo nosy ireo »


  • Alatsinainy 30 Desambra 2019

« An’i Madagasiakara ny nosy Eparses » araka ny nambaran’ny antoko MFM.

 

Efa mazava, hoy ny sekretera jeneralin’ny MFM, Olivier Rakotovazaha, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny firenena mikambana tamin’ny volana desambra 1979 izay mandidy ny hamerenan’i Frantsa ireo nosy ireo ho an’ny Malagasy. Ny fanatanterahana io fanapahan-kevitra io no imasoan’ny fitondrana ankehitriny ary ny fiarahana amin’ireo vondrona iraisam-pirenena misy an’i Madagasikara no anisan’ny paikady mahomby amin’izany. Notsiahiviny hatrany fa efa voarakitra tao anatin’ny fehin-kevitra nosoratan’ny MFM tamin’ny volana novambra 2015 momba ny soso-kevitra hamerenana ny nosy Eparses an’i Madagasikara. Mikasika ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena frantsay amin’ny hametrahana toeram-pikarohana momba ny tontolo iainana dia milaza ny MFM fa fanapahan-kevitra feno fihatsaram-belatsihy izany. Harem-be no ao anatin’ny nosy Eparses ary ilaina ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra tamin’ny taona 1979 mba ho tombontsoan’ny firenena satria ny Malagasy dia misitraka ny zo amin’ny fitrandrahana sy fitantanana ireo nosy ireo, hoy hatrany ny fanazavana.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT