Politique

Olivier Rakotovazaha Nanao valin-kafatra


  • Alatsinainy 05 Martsa 2012

Tsy niandry ela ny valin-kafatra avy etsy amin’ny Magro Behoririka manoloana ny fikasan’ny andiana mpanao politika sasany hametraka fitondrana miaramila eto Madagasikara indray

 Ny tantara tsy fanadino, hoy i Olivier Rakotovazaha. Tamin’ny martsa 2009 dia namindra fahefana tamin’ny miaramila ny Filoha faratampon’ny foloalindahy, nefa natsipin’izy ireo amin’olon-kafa izany. Notsiahivin’ny Sekretera jeneralin’ny antoko MFM sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita koa fa vako-pirenena ny RNM sy ny TVM nefa dia tsy nisy fandraisana andraikitra fa nojeren’ny miaramila maso fotsiny ny nandoroan’ny sasany azy. Koa tetika hanafoanana tsotra izao ny tondrozotra ny mbola hanomezana ny fahefana amin’ny miaramila, hoy i Olivier Rakotovazaha. Nohitsian’ity farany aza moa fa dia tetiky ny Frantsay io mba hanamarinana ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. “Aoka isika tsy hanaiky hofitahana”, hoy ny Dr Randriamaholison Jules nanampy ny fanazavana.


Na izany aza dia niaiky i Olivier Rakotovazaha fa tsy tonga lafatra ny tondrozotra ka mila fanitsiana ary ireo filoha efatra no tokony hanitsy ny lesoka. Izay aminy no ilana ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampony na «Conférence au sommet». Eo ireo filoha telo voafidim-bahoaka tamin’ny fomba demokratika, dia i Didier Ratsiraka, Pr Zafy Albert ary i Marc Ravalomanana, miampy an’i Andry Rajoelina izay ialokalofan’ireo kandida tsy lanim-bahoaka tamin’ny fifidianana nivondrona amin’ny fanoherana.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT