Politique

Olivier Rakotovazaha “Ataontsika mahalala ny anarantsika ireo”


  • Alatsinainy 27 Febroary 2012

Mielipatrana manerana ny tanŕna indray izao ny soratra, hanafoanana ny sori-dalana, hoy ny sekretera jeneralin’ny Mfm, Rakotovazaha Olivier.

 Io sori-dalana io anefa no efa nifanekena, hoy izy, ary lalana hampodiana an-dRavalomanana, araka ny voasoratra amin’ny andininy faha-20. Ankoatra izay dia misy mivoy koa amin’izao fotoana, ny hoe aleo hiverina Ravalomanana hikarakara ny orinasany sy handraharaha. Misy koa ny miteny hoe sady tsy mila an-dRavalomanana no tsy mila an-dRajoelina, hoy ihany Rakotovazaha. Ireo rehetra ireo, hoy izy dia ao anatin’ny fomba fiadin’ny Frantsay avokoa izay miditra amin’ny lafiny rehetra, eny hatramin’ny lalam-pifidianana aza. Araka ny fanazavany ihany, dia raha misy miketrika ny tsy hiverenan-dRavalomanana eto an-tanindrazana dia ny frantsay no lohalaharana amin’izany. Nanamafy ihany koa izy fa tsy ho lany eny anivon’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita velively izany amnistia ‘sélective’ izany.

Nambarany fa raha nampanantsoin’ity rafitra ity ny praiminisitra sy ny mpikambana sasantsasany eo anivon’ny governemanta ny alakamisy lasa teo, dia nilaza sy nanome toky fa hampihatra an-tsakany sy an-davany ny sori-dalana. Tsy vitan’ny vava anefa izany, hoy izy fa mila hampiharina. “Ho avy ny fotoana, raha mbola mihenjana amin’ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana ireo dia ataontsika mahalala ny anarantsika. Miomàna fa hahita antsika izy ireo”, hoy ihany Olivier Rakotovazaha izay nankahery ireo mpiara-mitolona aminy fa efa any amin’izy ireo ny fandresena, ka tokony hijoro hiaro ny hevitra tohanan’izy ireo ireo mpiara-dia.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT