Manoloana ny fodian’i Marc Ravalomanana dia hita taratra ny fikoropahana ao amin’ny FAT sy ireo mpitandro ny filaminana na dia milaza aza izy ireo fa tsy matahotra ny fiverenan’ity mpandraharaha ity eto an-tanindrazana.
Be ny teny alefa ary dia miharo ny fampihorohoroana, hoy i Olivier Rakotovazaha. Ao ohatra ny filazana fa handefa miaramila, eo koa ny hoe misy didy fampisamborana, ny fisamborana sy ny maro hafa, hoy izy. «Aoka tsy hihantsy ady isika, ary aoka ny sasany tsy handrangitra ny vahoaka», hoy ny Sekretera jeneralin’ny MFM. Nitondrany fanazavana teny amin’ny kianjan’ny Magro omaly fa misy ny atao hoe ‘jurisprudence’ na didy fakan-tahaka amin’ny fomba fitsarana. Ny olona nolazaina fa mpanao politika nogadraina, hoy izy, rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ny FAT dia navoakany tsy nisy fepetra. Rehefa mety amin’ny sasany, nahoana no tsy mety amin’ireo gadra politika amin’izao fotoana izao ? Voasoratra ao anatin’ny sori-dalana anefa ny momba ny famoahana ireo gadra politika ireo hisiana fitoniana eto amin’ny tany sy ny firenena.
Ankoatra izay dia nambarany fa tsy i Marc Ravalomanana irery ihany no sesitany noho ny antony politika fa misy maromaro izy ireo. Tsy izy irery ihany koa no filoham-pirenena sesitany. Ny andininy faha-20 ao amin’ny sori-dalana dia milaza fa mody tsy misy fepetra avokoa ireo sesitany, hoy ihany i Olivier Rakotovazaha ary dia niaraha-nahita fa tonga ny amiraly Didier Ratsiraka. Navela niditra nalalaka na dia manana dosie eo anivon’ny fitsarana ihany koa aza. Fanontaniana no napetrany hoe nahoana no efa Ravalomanana no hody dia rahonana ? «Inona no masontsivana hanavahana azy ireo nefa lazaina fa samy manana dosie ao amin’ny fitsarana ? Omeo anay vahoaka ny porofo maha samihafa azy ireo ?», hoy ihany i Olivier Rakotovazaha. «Sao dia ianareo no mandrehitra afo ka aza ailika aty amin’ny ankolafy Ravalomanana na ny vahoaka satria ny aty dia milamina kanefa kosa raha hanaovana mizana tsindrian’ila dia tsy rariny izany. Aza omena tsiny izahay fa ny korontana dia ianareo no mamboly azy», hoy ihany ity mpanao politika mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity. Miantso ny eo anivon’ny fitsarana moa ity mpikambana eo anivon’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita mba hijery tsy hitongilana fa hampihatra ilay sary mizana tsy mitongilana. Tany misy lalàna eto, hoy ihany i Olivier Rakotovazaha ka tokony hohajaina ilay hoe : ‘jurisprudence’.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.