Politique

Olivier Mahafaly Hanonofy ho filoha 2018 koa ?


  • Talata 12 Aprily 2016

Mahafaly Solonandrasana Olivier indray izany izao no tompon-trano eny Mahazoarivo. Ny famindram-pahefana eo aminy sy Ravelonarivo Jean, dimbiasiny toerana sisa dia raikitra ny asa.

 

Hiavaka amin’ireo teo alohany ity praiminisitra vaovao ity sa hanara-dia ihany koa ? Misy viriosy hafahafa ve ao Mahazoarivo ao fa ny ankamaroan’ireo teo amin’io toerany io mantsy toa lasa mivadika atidoha te ho filoham-pirenena avokoa. Raha ny hatramin’ny 2009 no ho mankaty fotsiny dia teo i Monja Roindefo, Camille Vital, Hajo Andrianainarivelo, Beriziky Jean Omer, Pierrot Rajaonarivelo dia io Ravelonarivo Jean, izay na efa nilaza am-bava fa tsy ho kandida amin’ny 2018 aza, mety hiova hevitra ihany manoloana izao nanaovana azy tamin’ny fanesorana azy tsy ho praiminisitra izao. Haningana ve i Mahafaly Solonandrasana Olivier sa hanara-dia ny teo alohany, ka ho lasa adverseran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina amin’ny 2018 ity olona isany itokisany ity. Vao manomboka moa ny andraikiny, nefa mety hanova zavatra ny roa taona sy tapany mialoha ny fifidianana amin’ny 2018, ka eo isika mahita izy.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT