Notendrena ho anisan’ny mpanolotsain’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny minisitry ny mponina sy ny raharaha sosialy tamin’ny andron’ny tetezamita Olga Vaomalala Ramaroson, vadin’i Alain Ramaroson.
Tsiahivina fa izy no nasolo an’i Nadine Ramaroson, maty noho ny loza an-dranomasina tany amin’ny Vinanin’i Soanierana Ivongo ny 28 aogositra 2011. Nanary tanteraka an’i Alain Ramaroson, sakay sy maso amin’ny fanjakana HVM ve izany ity vady andefimandriny ity ? Raha ny resaka nandeha nanomboka tamin’ireny fanenjehana ity tanan-kavan-dRajoelina ity tamin’ny fanonganam-panjakana 2009 ity moa, dia re fa efa hatry ny ela no naniry hiara-dalana amin’ny HVM ramatoa Olga Vaomalala vadiny, saingy tsy nanaiky hatramin’ny farany ity I Alain Ramaroson. Anisan’ny mety ho antony lehibe nandetehana azy hatramin’ny farany io fandavana ny tolo-kevitry ny vadiny io, na dia resaka raharaham-pianakaviana aza no nambara ho antony nampigadra azy. Karazan’ny efa nariana sy natakolo tombontsoa sy seza ve izany i Alain Ramaroson noho ny hambom-po politika sy firehana nananany ? Hanavotra azy ve ity vadiny izay efa tena akaiky ny fitondrana sa hitazam-potsiny hatrany ny fahavoazany ? Tsara ny mampahatsiahy fa samy minisitra i Olga Vaomalala sy ny Hery Rajaonarimampianina tamin’ny andron’ny tetezamita, ka dia nampitovy tandin-dokanga izany amin’izao. Manamafy sy mamboatra ny politikany ny filoha ankehitriny amin’izao akaiky fifidianana izao, ka mampiditra olon-kafa somary ivelan’ny HVM hanolon-tsaina, toa an-dry Yves Aimé Rakotoarison, tao amin’ny Antoko TIM fahiny ary minisitra tamin’ny andron’ny Tetezamita. Torak’izany ihany koa i Vaovao Bénjamin, loholona teo aloha izay tany amin’ny AREMA no nahalalana azy. Efa ela kosa i Manandafy Rakotonirina mpanorina ny MFM no tandapa. Re fa mpanolotsaina ny filoha ihany koa ny depiote vehivavy iray avy amin’ny Antoko MAPAR, saingy tsy mbola nisy aloha ny fanambarana ny tena fanendrena ofisialy. Mety tafiditra ao anatin’ny politikan-dRajaonarimampianina hoenti-miady amin’ny fifidianana izany satria avy amin’ny kandida sokajiana fa matanjaka no niandohan’ireo olona nantsoina ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.