Politique

Olga Ramalason Miantso ny mpitsara hihaino ny feon`ny fieritreretany


  • Talata 03 Desambra 2019

Ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) dia eo am-panangonana ireo porofo maro isan-karazany izay mitory tsy fanarahan-dalàna nataon`ireo mpikirakira fifidianana sy mpitantana fifidianana.

 

 

 

 Maro ireo fitarainana sy alahelon`ny mpifidy izay noverezin-jo ary tsy afaka mifidy noho ny antony maro. Noho izany, hametraka fitoriana amin`ireo porofo marobe eo am-pelatanany ny antoko TIM, hoy i Olga Ramalason, sekretera jeneralin`ny antoko. Raha tsy mahafa-po ny havoakan`ny fitsarana dia hijoro foana ny antoko fa tsy hitondra ny olona eny an-dalambe na hanao zavatra mihoa-pefy.  Tsy afaka kosa hanakana ny alahelon`ny vahoaka sy izay tiany atao anefa ny TIM. Tsy eto an-drenivohitra ihany no nitranga ny fanodinkodinam-bato sy tsy fetezana, hoy izy. Tany Ifanadiana, ohatra, dia lany 100% ny ben`ny tanàna teo aloha. Mahavariana tokoa izany kanefa ambany ny taham-pavitrihana manerana ny nosy. Any an-toeran-kafa dia tena nahitana “bulletin pré-coché” marobe izay misy sonian`ny mpikarakara fifidianana ihany. Hentitra izy niteny fa hasehon`ny antoko TIM ireo tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana kaominaly sy monisipaly. Mametraka eo anatrehan`ny mpitsara ny feon`ny fieritreretana satria hanimba sy hanakorontana firenena raha tsy mijoro amin`ny fahamarinana ny tompon’andraikitra rehetra.

 

Marigny A. sy Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT