Politique

Olana fototra…


  • Zoma 12 Jolay 2013

Efa manakaiky ihany ve ny farany sa ahoana ? Io no fanontaniana mipetraka any an-dohan’ny tsirairay any indray amin’izao fotoana.

Samy manana ny hevitry ny hoe farany aminy moa ny tsirairay, arakaraka ny firehana politika sy ny fomba fijery ary ny tanjona hotratrarina. Fa amin’ny ankapobeny, ny Malagasy tsotra dia ny fiafaran’ny krizy no andrandrainy fatratra, satria efa tena manahirana ny miaina isan’andro eto efa ho efa-taona izao e ! Eo moa ny faly raha tonga ny farany, ao kosa ny mety malahelo na tezitra, misy mihitsy ny matahotra ny hahatongavan’ny farany, fa sao mantsy very fihinanana, na mety hiharan’ny fitsaram-bahoaka, na hosamborina, na voatery hitsoaka ny tanindrazana. Raha ny asa fanelanelanana ataon’ny sehatra iraisam-pirenena aloha, raha dinihana hatramin’izay nanombohany dia tsy mbola ho amin’ity taona 2013 ity no hifarana e ! Resaka tsy mety vita ny an-dry Chissano sy ny ekipany. Mandalo kely eto aloha milaza fa maka ny hevitry ny vondrona politika, mandrangaranga sazy, avy eo lasa mody any Afrika indray fa hoe hanao tatitra, dia iny afaka iray volana fa mivoaka ny fehin-kevitry ny SADC na ny Vondrona Afrikanina.

Avy eo mandefa iraka manokana indray milaza fa hanao tomban’ezaka amin’ny firosoany hamahana ny krizy sy ny fanomanana ny fifidianana. Izany foana ny hirahira teto nanomboka tamin’ny septambra 2011 nanasoniavana ny tondrozotra. Ny mahagaga amin’ity resaka ity dia ilay tondrozotra nambara fa hamahana ny krizy sy hametrahana ny fitoninana aza tsy nampiharina hatramin’ny farany, dia efa miroso amin’ny fifidianana indray. Nahoana no tsy karohana aloha ny fomba rehetra ampiharana ny tondrozotra sy hampitony ny tontolo politika, izay vao miresaka fifidianana. Tsy misy ny hoe : fahafaham-po 100%, fa raha ny olana fototra kosa no tsy voavaha dia tsy misy fitoniana azo antenaina izany eto e ! Fifandirana eo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina no olana fototra tamin’ny 2009, mila alamina io sy izay zavatra ao ambadik’io rehetra. Rehefa vita izay dia tsy tokony ho olana ny ambiny.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT