Vao miandoha ny taona dia efa mafampana sahady ny toe-draharaham-pirenena na ny lafiny politika na ny sosialy.
Mandeha ny fitakiana sy ny fitokonana samihafa, toy ny eny amin’ny anjerimanontolo izay manidy tanteraka ny oniversite tohin’ny fitakiana lavareny efa am-bolana maro tsy misy valiny mahafa-po. Io fa mampikatso ny fampianarana ihany koa ny mpanabe noho ilay resa-bola 65000Ar nisy nanabory teny an-dalana,… Maro ny olana tsy voavaha kanefa ny fanjakana dia mampiseho zavatra mifanohitra amin’izany, raha tsy hilaza afa tsy ny hoe: 77 tapitrisa dolara na 280 miliara ariary ny tetibola holaniana amin'ny fanamboarana ny kianjan’i Mahamasina. Renay ary fantatray fa vola avy amin’ny FIFA io, hoy ny fanehoan-kevitr’i Marc Ravalomanana. Hahavitana lalana 1400 km io raha ny 200 tapitrisa ariary ny manao ny 1 km na hahafahana manorina efitrano fianarana 8000 mahery ihany koa. Tsara ny kianja fa izay ve no tena laharampahamehana raha amin’izao toerana misy an’i Madagasikara izao ? Navoitra tetsy Iavoloha tamin’ny fihaonan’ny filoha sy ireo depiote ihany koa ny hanomezana vola 5 miliara dolara ny depiote ambara fa hoenti-miasa hampandrosoana ny distrika. Lojika raha miseholany ny fitakiana samihafa satria misy izany ny vola. Ny olana ara-tsosialy miha mafy hatrany, vao mainka niampy ny loza nateraky ny fiarakan’ny rano. Ny vidim-piainana hidangana hatrany ary vao mainka misy io fiakaran’ny vidin-tsolika vokatry ny adin’i Etazonia sy Iran io. Mety hiakatra ihany koa ny vidin-jiro izay ny 70% amin’ny famokarana amin’ny alalan’ny solika avokoa. Ny delestazy tsy mivaha fa vao mainka mihamafy, ny fampianarana mikatso, ny tsy fandriampahalemana mahazo laka, ny fifidianana niteraka lonilony,… Mety hitambatra hiteraka fipoahana ara-tsosialy sy politika hiafara amin’ny fidinana an-dalambe io, raha tsy mahay ny fanjakana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.