Politique

Olan'ny polisy sy mpitsara Tsy hiasa ny polisy anio ?


  • Talata 20 Desambra 2011

Mihasarotra andro aman’alina ny olan’ny mpitsara sy ny polisy satria dia ifanilihan’ny filohan’ny FAT sy ny praiminisitra ny fandaminana azy.

 Na tiana na tsy tiana anefa dia tompon’andraikitra voalohany amin’io raharaha io ny praiminisitra amin’ny maha lehiben’ny mpiasam-panjakana azy. Omaly dia nihaona naharitra ora maro ny fihaonana teo amin'ny solontenan'ny sendikan'ny mpitsara SMM sy ny “grands corps” na ireo mpiasam-panjakana ambony. Nisy ny fanapahan-kevitra tamin'izany ka araka ny tsiliantsofina dia handray fepetra amin'izay ihany koa ity hery ivondronan'ny mpiasam-panjakana ambony ity. Anio no hanao fanambarana izany amin'ny mpanao gazety izy ireo. Mihamafy hatrany, araka izany, ity olana teo amin'ny polisy sy ny mpitsara ity. Omaly dia nihaona teny Iavoloha ireo lehiben'ny polisy niaraka tamin'ny minisitra misahana ny polisy.

Araka ny loharanom-baovao dia nampanantena ireto tompon'andraikitra ireto ny filohan'ny FAT fa tsy ho esorina ny minisitra. Ny sendikan'ny mpitsara anefa etsy andaniny omaly dia mbola nanizingizina fa tsy maintsy miala ny minisitry ny Filaminana anatiny ary azo antoka ny fiarovana azy ireo eo am-panatanterahana ny asany vao misokatra indray ny Fitsarana. Ankoatra izay, omaly hariva dia nandeha ny resaka fa hanao fivoriambe ny polisy, mety ho amin’ity anio ity, ka dia tsy hisy hiasa mandritra izany. Any amin’ny resaka fifamoivoizana avy hatrany no alehan’ny saina aman’eritreritry ny maro eo anatrehan’izany. Hisy handamina sa tsia anio, ny andro ankatoky ny fety ?

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT