Politique

Olan’ny mpitsara sy polisy Miala ny Emmo-Reg sy ny FIS


  • Talata 27 Desambra 2011

Miala ny Emmo-Reg ary miala ihany koa ny FIS. Tsy misy sahy miditra amin’ny olan’ny mpitsara sy ny polisy izy ireo.

 Ny zandarin’ny toby Ratsimandrava rahateo dia mazava ny fihetsiny rehefa namela fotsiny ireo polisy izay tokony ho nentina teny amin’ny fitsarana ny sabotsy teo. Ny avy ao amin’ny Emmo-Reg dia niezaka nanazava fa tany Toliara no niatomboka ny olana, anjaran’ny Emmo-Reg Toliara izany no mamaha azy. Ny avy ao amin’ny FIS koa dia nanazava fa miankina amin’ny Emmo-Reg ny baiko izay vao afaka mihetsika. Azo lazaina fa fialana andraikitra avokoa izany rehetra izany. Mipetraka mantsy ny fanontaniana hoe maninona ny avy ao amin’ny Emmo-Reg eto an-drenivohitra no nihetsika tamin’ny hoe fodian’i Dada ?

Mbola fanontaniana hafa ihany koa, maninona ny avy ao amin’ny FIS no nisambotra ireny olona tany amin’ny faritany ireny rehefa nisy ny volamena saika haondrana, na koa ny fisamborana mpanao kidnapping ? Rehefa inona no mijanona eto an-drenivohitra, izay tokony ho izy satria voafetra ny toerana azon’izy ireo hiasana, dia rehefa inona ihany koa no mihoatra ny renivohitra ny asan’ireo mpitandro ny filaminana voaresaka ? Mbola azo apetraka ihany koa aza ny hoe maninona no sahy tamin’ireny raharaha BANI sy FIGN ireny nefa mamitsaka kosa ankehitriny rehefa mihetsika ny polisy ? Ny mpandinika tantara dia mampitaha ity zava-mitranga ankehitriny eo anivon’ny polisy ity amin’ny tranga tamin’ny 1974, faha-GMP izay niotrika ka niafara tamin’ny famonoana ny kolonely Ratsimandrava Richard teo Ambohijatovo ny 11 febroary 1975 izay nisy olon’ny GMP (Groupe Mobile de Police), Zimbo, nandray anjara tamin’ny fitifirana. Anjaran’ny tsirairay no mieritreritra !

S.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT