Mitohy ny fitokonan’ny mpampianatra. Tsy mbola misy mantsy ny fanapahan-kevitra nifaneken’ny filohan’ny FAT sy ny solontenan’ny SEMPAMA nandritra ny dinika ny alatsinainy teo.
Raha tokony ho nisy ny fihaonana omaly tolakandro dia tsy raikitra indray izany, avy ao an-dapa ny antony. Mbola ao anatin’ny fifandresen-dahatra izahay, hoy Raharovoatra Claude, mpandrindra nasionalin’ny SEMPAMA. Ity farany izay nanambara fa naharitra adim-pamantaranandro dimy teo ny fifampiresahana tamin’io alatsinainy io ka anisan’ny nivaingana tamin’izany ny momba ny mpampianatra FRAM izay nampanantenain’i Andry Rajoelina fa hojereny manokana sy ny fanomezany 5 miliara Ariary fanampiny amin’ilay 20 miliara Ariary efa nambaran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Manoro Régis, izany hoe 25 miliara Ariary ny fitambarany. Efa tamin’ny 8 ora alina vao nirava ilay fivoriana ka omaly tolakandro no tokony ho nanohizana azy saingy io tsy raikitra io. Tsy afaka nanapa-kevitra samirery manoloana ilay tolotra anefa ireo solontenan’ny SEMPAMA fa maka ny hevitry ny namany hatrany amin’ny faritra.
Samy tsy nanaiky ilay 25 miliara Ariary anefa ny mpampianatra mitokona etsy Anosy na koa ireo any amin’ny Faritra, araka ny nambaran-dRaharovoatra Claude. Izay hevitry ny besinimaro izay no saika hoentina tamin’ny fihaonana andiany faharoa omaly hariva saingy tsy tontosa ilay izy satria manana fandaharam-potoana hafa ny filohan’ny FAT. Mbola hampiantso amin’ny andro hafa anefa ny tenany raha ny fanazavan’ny mpandrindra nasionaly ny SEMPAMA ihany. Anio dia hihaona amin’ny vaomieran’ny fanabeazana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny solontenan’ny SEMPAMA ny maraina. Marihina fa dia niverina tao amin’ny Kianjan’ny 90Ar ireo mpampianatra mpanabe omaly nanohy ny fitakian’izy ireo.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.