Politique

Olan’ny fampianarana Hiverina ny 1972


  • Talata 08 Mey 2012

Tsy eto Antananarivo Renivohitra irery ihany, fa efa hatrany amin’ny faritra maro manerana ny nosy no mikatona ny sekolim-panjakana, vokatry ny fitokonan’ny mpampianatra mpanabe mivondrona ao amin’ny SEMPAMA.

 Hita ho tena henjana ny raharaha matoa miditra an-tsehatra tampotampoka mikaroka vahaolana ny filohan’ny tetezamita. Maro ihany izay fitakiana sy grevy teto izay, fa ity an’ny mpampianatra ity no henjana ary mety hitarika mihitsy any amin’ny firodanan’ny fitondrana tetezamita. Tsy ny mpampianatra irery intsony mantsy no mitokona mitaky ny zony fa dia niditra an-tsehatra ihany koa ny mpianatra. Mitovitovy ny tamin’ny 1972 ny zava-misy ankehitriny, ary tena ho zava-doza ho an’ny fitondrana raha toa ka tsy voavaha haingana. Henjankenjana ihany anefa ny fifampiraharahana satria tena vonona ny hiaro hatramin’ny farany ny fitakiany izy ireo, ny fanjakana kosa milaza fa tsy manana ny vola handoavana izany, ary na ny minisitry ny fampianarana na ny filohan’ny tetezamita dia samy efa nilaza izany.

Omaly ihany koa dia nampaneno lakolosy indray ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite na SECES, ka nanaitra ny fanjakana mba hampihatra ny zavatra efa nekeny. Fampisondrotana tambin-karama isan-tsokajiny moa no resaka eto, ary efa nivoaka tamin’ny oktobra 2009 nandritra ny fitondrana tetezamita, ny didim-panjakana mamaritra izany, fa ilay didy fampiharana no tsy mbola nisy hatramin’izao. Ny mpandraharaha eny amin’ny oniversite moa dia mitokona indray, mbola resaka karama ihany izy io. Tena saropady ny fampianarana ka noho izany mila mitandrina ny fitondrana tetezamita amin’ny famahana ireo karazana olana ireo, tena vao mainka hanasaro-javatra ny fandrahonana sy ramatahora ary fampiasan-kery amin’ny mpianatra na mpampianatra.

Tsy maintsy fifampiresahana no hamahana ny olana ary mila mamorona ny tsy misy ny fanjakana. Miala bala hatrany mantsy izy ireo hoe mbola tetezamita izao ka tsy afaka ny hanome fahafaham-po anareo izahay. Niaraha-nahita anefa fa nahazo fahafaham-po tamin’ny fitakiany ny miaramila. Miankina amin’ny filohan’ny tetezamita ny hampilamina na hampikorontana ity raharaha ity, ka ho hita eo indray ny tena fahaizan’i Andry Rajoelina mamaha olana, amin’ny resaka fa tsy amin’ny hery ! Fa raha sanatria mandamoka ny fifampidinihana eo amin’ny filohan’ny tetezamita sy ny SEMPAMA, dia mety hiverina ny 1972.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT