Kandidà Nelson William
“Efa misy fitsinjarana asa fa tsy ny filohan’ny repoblika no manao ny rehetra. Hatsangana ny “Etat de Droit” ary ny fitsinjaram-pahefana tena izy (decentralization effective) tadiavin’ny any amin’ny Faritra no ho vaindohan-draharaha hatao. Kandidà mitondra fanantenana hoan’ny vahoaka sy mpampiasa vola eto amintsika ny tenako”.
Kandidà Ratsimbalison Faharo
“Refondation totale” no hataoko rehefa tonga eo amin’ny fitondrana aho. Ho avy amin’ny foko 18 ireo ho ministra fa tsy mpanao politika tendrintendrena intsony. Ny olombe avy any amin’ny Faritra mihitsy no hanendry azy ireo”.
Kandidà Rabeharisoa Roland Vahombe
“Totovary vazimba izay tsy mitoto tsy mihinana” no hiandry ny Malagasy rehefa mby eo amin’ny fitondrana ny tenanay. Ho sarotiny amin’ny fanarahan-dalàna isika. Tsy ho mpangataka tahaka ny tenanay taloha intsony ny Malagasy, izany no tsy nisamboranay vola, na taiza na taiza. Tsy hisy “cortège” lavabe izany eny an-dalana raha izaho no lany ho filoham-pirenena ary hihena be ny fandaniana ao Ambohitsorohitra”.
Nangonin’i Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.