Ny tena fampihavanam-pirenena

> “Tokony ho naseho tamin’ny fandevenana an’i Bebe Razay omaly”, hoy ny Green Gasikara


  • Talata 08 Oktobra 2013

Manoloana ny fahafatesan’i Bebe Razay reny malalan’ny Malagasy dia mbola mamerina ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviana Marc sy Lalao Ravalomanana izahay ao amin’ny Green Gasikara tarihan-dRtoa Attuya filoha, hoy ny mpandrindra nasionaly Rafidinjatovo Zafimahaleo.

Aminay, hoy ity mpanao politika ity, raha olona misaina ny mpitondra ny tetezamita dia tokony ho nampody an’i Dada nandevina an-drafozany satria tsy misy mafy tahaka izany mamoy ray aman-dreny izany ary ny Malagasy tsy mba miady amam-paty izany hatramin’izay. Amin’ny tranga tahaka izao, hoy ny Green Gasikara, no tokony hanehoana ny fifamelana sy fifankatiavana marina ka tena tanterahina ara-bakiteny ny fampihavanana dradradradraina fa tsy atao kobaka am-bava fotsiny. Mikasika ny fahatongan’ireo mpanara-maso ny fifidianana avy any ivelany eto amintsika dia lazain’Atoa Fidison mazava fa ny volantsika amin’ny alalan’ny Paceem ihany no angalana handoavana ny « indemnités » an’ireo fa tsy mitondra vola avy any aminy izany ireo. Mbola resaka hafa, toy ny fijerena ny tombontsoany amin’ny tany fangalana harena ankibon’ny tany nifanarahana tany ivelany tany aza no tena vaindohan-draharaha hatongavan’izy ireo eto ankoatra an’io hoe fanaraha-maso fifidianana io.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT