Asa na efa tafalatsaka loatra any amin’ny atifanahy ny halatahaka sy ny fizahozahoana fa dia nahagaga ny rehetra ny fahasahian’i Ny Rado Rafalimanana nanaparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera facebook ny sarin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny mpiara-miasa aminy tany Ambila Lemaitso ary notaingenany ny serasera metimety aminy manokana izany avy eo.
Atoa Guy Rivo Randrianarisoa no naka ny sary teo ambonin’ilay Baka niampita mankany Ambila Lemaitso ka nahitana an’i Marc Ravalomanana manao lobaka fotsy sy kravaty mena ary taoriany ny fiara 4X4 pick up fotsy. Samy nahita an’io ny rehetra mpijery facebook. Tampoka avy eo namoaka an’io sary io ao amin’ny pejiny ihany koa Atoa Ny Rado Rafalimanana narahana soratra manao hoe : « Ho Ambohipihaonana anie ny tanàna, ary hitaratra ny ho avin'ity Manankasitsara iombonana antsika ity. Dia hosorana menaka ianao Raiamandreny Marc Ravalomanana. Izay no maha Ny Fanahy Maha Olona anay, tsy ho tonga namana vao mavomavo.” Tsy misy olana ny firarian-tsoa fa ilay fametrahana ny mari-pamantarana Ny Rado Toursim&Travel teo amin’ilay sary kosa no hafa satria toa midika hoe izy no tompon’ny sary, na koa hoe niaraka tamin’Atoa Marc Ravalomanana izy na hoe nifampiresaka tsotra izao izy ireo. Tsy nisy anefa na dia pika sary iray monja aza afaka manaporofo sy milaza fa nihaona tany Ambila lemaitso i Marc Ravalomanana sy Ny Rado Rafalimanana. Mampanahy ny fihetsika mpanao politika sady mpandraharaha tahaka izao satria toa miendrika famitaham-bahoaka an-tsary ihany kanefa hoe foto-kevitra : Ny Fanahy maha olona no voizina. Ekena fa samy manana ny paikadiny amin’ny resaka serasera fa mba mila fahamarinana sy fifanajana ihany fa tsy sanatria asiana endrika fisandohana na fisolokiana hamitaka ny fiarahamonina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.