Politique

Ny Rado Rafalimanana Nahazo fahafahana vonjimaika


  • Alarobia 19 Febroary 2020

Tonga namaly ny antson’ny Fampanoavana amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy i Ny Rado Rafalimanana, filohan'ny ONG Fanahy no Maha Olona,

 

omaly maraina, araka ny fampiantsoana an-taratasy nomena azy ny alatsinainy teo. Nahazo fahafahana vonjimaika izy taorian’ny famotorana savaranonando natao azy. Mbola hisy ny fampanantsoana manaraka azy eny amin’ny fitsarana atsy ho atsy. Ny fanjakana Malagasy no mpitory saingy mbola manjavozavo tanteraka ny vesatra. Noho ny WFDP (World fund for Development and Traning) ambara fa tsy mifandraika amin’ny Firenena Mikambana ve ? Ny fivezivezeny eto Madagasikara mitondra ny anarana maha Ambasadaoron’io ve ? Izay ambadika hafa tsy hay fa raha ny tantara no zohiana dia resaka asa soa fanampiana ny traboina no nataony. Manana zo afaka ny hivezivezy eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara amin’ny olom-pirenena Malagasy. Tsy hay anefa izay antony hafa sy ny lonilony politika mampifanolana azy amin’ny fanjakana. Mety ho valifaty na “réglement des comptes” eo aminy sy ny fanjakana io. Zavatra roa no mety hitranga. Na izy halentika tanteraka na mety ho afaka fa tsy maintsy mangina. Tantara mitohy

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT