Noho ny fahatsapana ny fananan’ny Malagasy manampahaizana maro sy loharanon-karena voajanahary tsy hita noanoa dia nandray andraikitra ny ONG Ny Fanahy Maha Olona fa hikaroka izay ahafahana manome lanja ireo talenta isan-karazany ananan’ireo tanora malagasy,
ka hanome tantsoroka ahafahan’izy ireo manorina ho avy mamiratra sady ho fampandrosoana ny firenena. Noho ny tsy fahitan’izy ireo mazava ireo lalana tokony hizorana, dia natsangan’ny ONG Ny Fanahy Maha Olona ny Tetikasa VATOEKA ho tari-dalana sy tantsoroka ho azy ireo.
Lova napetraky ny jeneraly Ratsimandrava
Tsy zava-baovao ho an’ny Malagasy ny VATOEKA fa sehatra efa napetraky ny Jeneraly Ratsimandrava nanomezana lanja sy nihainoana ny hevitry ny fokonolona mikasika ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena teto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tsy fandikana be fahatany ny fomba fiasa tamin’izany no ataon’ny ONG Ny Fanahy Maha olona fa fanohizana ny lalana efa natomboka, nefa efa adinon’ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny. Nisy fidinana nataon’ny ekipa notarihan’ny filoha Ny Rado Rafalimanana tany Fianarantsoa, tao amin’ny Espace Royal, ny 27 sy 28 janoary lasa teo nanazavana momba ny Tetikasa VATOEKA sy nifanakalozana hevitra tamin’ireo sokajin’olona maro avy ao Fianarantsoa. Nosafidiana manokana io tanàna io noho ny fananany haren-tsaina sy kolontsaina miavaka, nefa koa ahitana olana ara-toekarena sy sosialy ilàna vahaolana maharitra. Nambara tamin’izany fa hahakasika sehatrasa 17 ny Tetikasa VATOEKA, anisan’izany ny fambolena sy ny fiompiana, ary ireo Faritra 22 dia samy hisitraka ireo tantsoroka hoentiny. Hisy drafitrasa fanofanana ara-teknika sy momba ny fitantanana homanina ho an’ireo tanora mpahazo tombontsoa amin’izany. Atoa Ny Rado Rafalimanana, rehefa avy nahita ireo traikefam-pampandrosoana tany amin’ireo firenena maro notsidihany tany ivelany, ary taorian’ny nitoerany ela tany ivelany noho ny asany, dia nanapa-kevitra ny hiverina eto an-tanindrazana hanatanteraka ny faniriany hamerina ny fahefana masi-mandidy sy ny hasin’ny Firenena Malagasy mba hahafahany mampitoetra ny fampivoarana lovain-jafy (Développement Durable).
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.