Politique

Ny Rado Rafalimanana Misintaka tsikelikely ireo mpanohana azy


  • Alarobia 17 Jolay 2013

Nisintaka tamin’ny kandida Ny Rado Rafalimanana ary milaza ny tsy hanohana azy intsony amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny antoko Gasy Manan-karena no Tanjona na GMT, noho ny tsy fanajan’ity kandida ity ny fifanarahana sy ny tsy fitoviam-pijery intsony manoloana ny toe-draharaham-pirenena.

Io  no fanapahan-kevitry ny birao nasionalin’ny GMT, tarihin’i Andriantsitohaina Mamy, omaly, ka ny mpikambana izay minia mandika izany dia hoesorina avy hatrany tsy ho anisan’ny mpikambana ao amin’ny antoko intsony. Milaza ihany koa ity antoko ity fa tsy mankasitraka ary manameloka ireo rehetra mamolavola tetika maty paika hampiadiana ny samy Malagasy, na hery avy any ivelany na eto an-toerana. Manaja tanteraka ny demokrasia ny GMT ka tsy miombon-kevitra amin’ireo izay te hanakana ny filatsahan-kofidian’ireo kandida telo, dia Rtoa Lalao Ravalomanana, Didier Ratsiraka ary Andry Rajoelina, fa mamela malalaka kosa ny vahoaka Malagasy hisafidy ny olona tiany hitondra ny fireneny. Manainga ny Malagasy tsivakivolo, indrindra ireo mpanao politika ny GMT mba hitandro hatrany ny fiandrianam-pirenena, ka hanaja ny soatovina maha Malagasy, ary mampiseho hatrany ny fahavononany ny handray anjara feno amin’ny fifidianana solombavambahoaka.

 

Tsy raikitra akory izany ny propagandy dia io fa miseho lany sahady ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny kandida Ny Rado Rafalimanana sy ireo mpanohana azy. Nialoha izao fisintahan’ny GMT izao mantsy dia efa niala tsy hiaraka hiasa amin’ity kandida ity ihany koa ry pastera Maihol. Mahagaga ihany ny zavatra tahaka izao satria raha ny tokony ho izy dia mba miresaka tsara aloha mialoha ny hiarahana fa tsy efa samy ao an-trano ao vao miady indray. Foto-kevitra sy fomba fijery marina ve no mifanipaka sa tsy nifanaraka tamin’ny resa-bola ? Sa misy fifandraisany tamin’ny fandehanan’i Ny Rado Rafalimanana tany amin’ny antenimieram-pirenena Frantsay ka nanasokajian’ny mpanara-baovao azy ho anisan’ireo soavalin’i Lafrantsa ve izao fisitahan’ny mpanohana azy izao ? Ho hita miandalana eny ihany ny tena marina.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT