Politique

Ny Rado Rafalimanana Kandidan’ny Arabo amin’ny 2018 ?


  • Talata 17 Janoary 2017

Samy manomana ny paikadiny amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy ireo kandida sy vondrona na antoko mikendry ny hitantana an’i Madagasikara aoriana kely. Tsy afa-misaraka amin’izany ny kajikajin’ny firenen-dehibe, izay efa manomana ny olony avy.

Samy manomana ny paikadiny amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy ireo kandida sy vondrona na antoko mikendry ny hitantana an’i Madagasikara aoriana kely. Tsy afa-misaraka amin’izany ny kajikajin’ny firenen-dehibe, izay efa manomana ny olony avy. Ho an’ny arabo izay efa manomboka mametraka ny toerany eto amintsika tahaka ireo firenen-dehibe hafa, dia efa mandeha ny resaka amin’ny olona mety ho kandidan’izy ireo. Ny anaran’i Ny Rado Rafalimanana no re fa mety ho kandida atosik’izy ireo. Tsara fifandraisana amin’ny arabo izy, ary porofon’ireny ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola hataony any amin’ny tany Arabo, toa an’i Dubaï. Mitady hirika amin’ny hanosehana azy ireo vondrona firenena toy ny Saodianina, izay tena sahy manatosaka volabe mihitsy noho ny vola aman-karena ananany, ary efa tena atahoran’ny Tandrefana izy ireo. Tsy mbola fantatra loatra tamin’ny resaka politika na dia efa nikasa hofidiana filoham-pirenena aza i Ny Rado Rafalimanana tamin’ny taona 2013, saingy voalaza fa tsy nahafeno fepetra. Izy no azo lazaina ho mpandraharaha Malagasy tsara fifandraisana indrindra amin’ireo mpanefoefo arabo, ary tombanana ho kandidan’izy ireo amin’ny taona 2018, raha ny serasera sy ny fihetsiny izay miezaka manamafy orina ny fifandraisana amin’ny firenena arabo. Mifarombaka mitady hirika amin’ny raharaham-pirenena eto Madagasikara ireo firenena matanjaka ary efa tena miady sisika amin’izany ny arabo raha tsy dia liana teo aloha. Manana tahirina harena tsy hita pesipesenina na ambony na ambanin’ny tany isika, ka mikendry ny hametraka olona azony fehezina sy afaka mifampiraharaha aminy hahafaha-misitraka izany ireo firenena na vondrona firenena lehibe. Ahiana ho ivon’ny ady tombontsoan’ny firenena matanjaka i Madagasikara ary efa miseho tsikelikely eo amin’ny sehatra politika.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT