Politique

Ny Rado Rafalimanana Kandidan-dRajoelina ?


  • Alakamisy 14 Martsa 2013

Hita ho manomboka mihetsiketsika, mampahafantatra ny tenany sy ny orinasany ary ny zavatra nataony tany Dubai nandritra ny efa-taona ankehitriny i Ny Rado Rafalimanana, izay filoha mpanorina ny AXIUS Group.

 Izy moa dia anisan’ireo mpandraharaha malagasy tanora, nisongadina tato anatin’ny folo taona. Maro no mihevitra fa nandritra ny fitondrana Ravalomanana no tena nahazo tombontsoa i Ny Rado Rafalimanana, izy rahateo dia anisan’ireo mpandraharaha niara-dia tamin’ny filoha teo aloha nandritra ireo fivahiniana ara-toekarena nataony tany ivelany. Niverina monina eto Madagasikara, efa ho iray volana mahery eo izao ity mpandraharaha ity ary ny orinasany dia nandray anjara mavitrika tamin’ny fanampiana ireo traboina tany atsimo noho ny fandalovan’ny rivodoza Haruna, ary mbola niantso ihany koa ny fanampiana avy amin’ny Arabo, izy.

Tsy mbola nisy aloha hatreto ny fanambarana ofisialy, fa ny siosion-dresaka tetsy sy teroa fotsiny no nahafantarana fa mety ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena i Ny Rado Rafalimanana, ka izay no antony niverenany teto Madagasikara sy mampihetsiketsika azy tato ho ato izay. Misy mihitsy aza no milaza fa izy no mety ho kandida hotohanan’i Andry Rajoelina. Nandritra ny dian’ny filohan’ny tetezamita tany Dubai nanatrika ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny angovo no tena nanamafy ny fifandraisana teo amin’ny roa tonta. I Ny Rado Rafalimanana no nifampiraharaha mivantana tamin’ny Mpanjaka tany an-toerana ka nahazoana fiaramanidina manokana nitondra ny filohan’ny tetezamita hody maika taty Madagasikara, raha nodimandry ny rafozam-baviny.

Fantatra ihany koa fa mitady mpamatsy vola any Dubai mafy ny filohan’ny tetezamita, ka tsy lavitra izany hetsika izany i Ny Rado Rafalimanana. Araka ny tsiliantsofina re ihany koa, dia tsy misy tena maharesy lahatra an’i Andry Rajoelina ireo mpanao politika telo mirahalahy notombantombanan’ny maro hatramin’izay fa ho kandida an’ny TGV i Hajo Andrianainarivelo praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany, Edgar Razafindravahy PDS-n’Antananarivo renivohitra ary i Camille Vital, praiminisitry ny FAT teo aloha. Araka ny fahitan’ny mpandinika ny raharaha politika azy dia efa tsapan’ny filohan’ny tetezamita fa mety tsy voafehiny ireo mpanao politika niara-dia taminy, misy aza ny efa nivadika taminy mihitsy ka izay no nanapahany hevitra hiara-miasa amin’olon-kafa. Mitanila any amin’i Ny Rado Rafalimanana ny safidin’ny filohan’ny tetezamita, raha ny resaka mandeha, satria mitovy tsara aloha hatramin’izao, ny tadin-dokanga eo amin’ny roa tonta ka ho hita eo ny mety ho fivoaran’ny toe-draharaha.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT