Hiverina eny amin’ny fampanoavana anio Atoa Ny Rado Rafalimanana rehefa teny amin’ny Toby Ratsimandrava omaly maraina.
Nomena taratasy fampahafantarana fa mila miseho eny amin'ny ny fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo izy. Vao naharay an'io ny filohan'ny ONG Ny Fanahy no Maha Olona dia nankeny amin'ny fampanoavana avy hatrany. Nomena taratasy fampahafantarana indray koa izy tao milaza fa ilain'ny Fitsarana rahampitso ka mila miveria eny Anosy. Tsy nisy famotorana natao azy na teny Andrefan’Ambohijanahary na teny Anosy, tsy mbola voafaritra mazava ihany koa ny hiampangana azy. Nandentika mafy azy ny minisiteran’ny raharaham-bahiny taorian’ny filazany ny maha ambasadaoron’ny WFDP (World Fund Development and Planning) ambarany fa mifandraika amin’ny firenena Mikambana. Heverina fa ho lasa lavitra ny raharaha. Lalina rahateo ny lonilony eo aminy sy ny fitondram-panjakana, indrindra nandritra ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2018. Re fa tsy levon’ny vavonin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny vava be nataony tamin’ny fihodinana faharoa. Ara-politika, tao anatin’ny mpifanandrina tamin’ny mpitondra ankehtriny izy. Mety efa nandrasana kendritohana, ka zara aza misy hirika hamelezana azy. Mitsapa ny fanjakana io amin’ny mety ho tanjaka na ara-politika na ny mety ho lanjan’ny fiarovana azy. Raha tsy misy mpanao politika na fikambanana na rafitra iraisam-pirenena mandrangaranga ny heriny hoe aza kitikitihana i Ny Rado Rafalimanana dia ho taraiky tanteraka ny tenany, ary tena hataon’izao fanjakana izao fahirano tanteraka. Hidoboka raha tsy misy mpanohana sy mpiaro matanjaka mety ho avy eto an-toerana na avy any ivelany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.