«Leo ny politikan’antitra sy ny politikam-boalavo izahay tanora resy lahatra eto Toliara sy ireo namanay any amin’ny Faritra 21, ka vonona sy mangataka an’Atoa Ny Rado Rafalimanana ho kandidŕ filoham-pirenena ny 24 jolay ho avy izao».
Io no votoatin’ny fanambaran’izy ireo tamin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety omaly tany Toliara, tao amin’ny «Restaurant Le Palétuvier» amoron-driaka. Mahatsapa ireto tanora samihafa ireto, fa vokatry ny tsindry hazo lena sy ny fanaovana fitaovana politika hatrany ny tanora malagasy no antony iray lehibe nanosika ireto tanora ireto, ka nanapahan’izy ireo hevitra fa hanohana sy handrotsaka an’i Ny Rado Rafalimanana, mpandraharaha tanora vao 36 taona monja mitovy azy ireo ho kandidà filoham-pirenena.
«Resy lahatra izahay tanora eto Toliara sy eto Madagasikara amin’ny zava-bitany, fa i Ny Rado Rafalimanana no hitondra ny tena fanovana eto amin’ny firenena, satria tsy voafatotr’ireo mpanao politika tia tombontsoa manokana sy seza, na antoko», hoy ireto andian-tanora ireto. Tsiahivina fa ny tena nahafantaran’ny olona an’ity mpandraharaha tanora ity dia ny fanampiany ireo traboina ravan’ny rivodoza Haruna tany amin’ny faritra Atsimo, nitondrany entana milanja 200 taonina be izao. «Resy ny tanindrazako ka mila havotana haingana», hoy i Christian sy Harijaona, solontenan’ireo tanora nihaona tamin’ny mpanao gazety, omaly.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.