Politique

Ny Rado Rafalimanana Andrasana ny vokatry ny fanadihadiana anio


  • Talata 11 Febroary 2020

Araka ny fampanantsoana natao azy, dia anio 11 febroary 2020 amin’ny 10 ora maraina no hatao fanadihadiana eny amin’ny polisy misahana ny lafin-tany ingahy Ny Rado Rafalimanana.

 

 

Tsy fantatra mazava izay antony satria tsy voafaritra ao anatin’ny taratasy fampanantsoana. Andrasana izay hiseho. Efa namoahan’ny fanjakana didy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara rahateo ny tenany, taorian’ny tsy fifankahazoana teo aminy sy ny zandarimariam-pirenena. Mifamahofaho tanteraka ity raharaha ity. Izy sy ny ekipany, dia efa nilaza fa tsy marina ny filazana azy ireo ho nandika lalàna nitsoaka fanakanana sy fisavan’ny zandary, ary saika nahafaty mpitandro filaminana. Ny zava-nisy hatramin’izay fotsiny, tsy mitovy hevitra ara-politika amin’ny fitondram-panjakana ingahy Ny Rado Rafalimanana. Kandida filoham-pirenena tamin’ny taona 2018, ary nanohana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fihodinana faharoa. Raha tarafina amin’izay, mety tsy hamelan’ny fanjakana Rajoelina tahaka an-dry Mbola Rajaonah ve izy ? Hifantohan’ny sain’ny mpanara-baovao ny mahakasika ny fanadihadiana sy ny mety ho fanenjehana an’ity mpanao politika sady mpitarika ny fikambanana Ny Fanahy Maha Olona, ary Ambasadaoron’ny WFDP (World Fund Development and Training) izay voalaza fa rantsan’ny Firenena Mikambana ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT