Na ny olona mpomba ny fitondrana HVM aza omaly hariva dia sanganehana hoe fa inona ity fanakatonana ny Tiko Andranomanelatra nandefasana miaramila mirongo basy ity. Eto Antananarivo anefa , efa lasa savorovoro isan’andro ny fifandroritana amin’ny razana voalaza fa matin’ny pesta, tahaka ny teny amin’ny hopitaly Befelatanana afak’omaly sy teny Mandrangombato I Anosibe omaly
Na ny olona mpomba ny fitondrana HVM aza omaly hariva dia sanganehana hoe fa inona ity fanakatonana ny Tiko Andranomanelatra nandefasana miaramila mirongo basy ity. Eto Antananarivo anefa , efa lasa savorovoro isan’andro ny fifandroritana amin’ny razana voalaza fa matin’ny pesta, tahaka ny teny amin’ny hopitaly Befelatanana afak’omaly sy teny Mandrangombato I Anosibe omaly, kanefa dia toa milefitra ny mpitandro filaminana.Loza amin’atambo anefa ny fiparitahan’ny pesta aretin-tratra rehefa tsy voafehy ara-potoana ny toe-draharaha amina toerana misy razana voaporofo fa matin’ny pesta tahaka ireny.Tena manararao-pesta ny fitondram-panjakana hoy ny fanehoan-kevitry ny olona maro omaly hariva ka ao anatin’ny fotoana manahiran-tsaina ny olona no natao ny be midina nanakatonana ny Tiko Andranomanelatra.Noravana tamin’ny larkimozenina ireo mpiasan’ny Tiko sy tantsaha ary olona niaro ny orinasa teny Andranomanelatra, Notapahana ny jiro, namaky vavahady, nihanika tamboho ny mpitandro filaminana ary nanakatona tsy misy indra-fo ny ozinin’ny Tiko izay mamokara ny yaourt, laglasy, olympiko sy classico.
Baiko avy eny Mahazoarivo
Omaly tokony ho tamin'ny 5 ora sy sasany tolakandro dia nanomboka ny fifampiresahana ka ny Prefen'Antsirabe sy ny lehiben'ny faritra no nitondra ny taratasy mampiato ny asan'ity orinasa ity araka ny baiko avy amin'ny minisitry ny Indostria sy ny ONE na ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana raha ny fanazavana. Nilaza moa ny mpisolovavan'ny TIKO fa tsy ara-dalàna ny zavatra ataon'ny minisitera satria efa niroso tamin'ny dingana maro ny orinasa tamin'ny fenitra notakiana taminy araka ny taratasy teo am-pelatantanany tamin'ny andron'ny minisitra teo aloha ka tokony ho fampitandremana na fampandrenesana aloha no atao fa tsy fanakatonana avy hatrany. somary niravona ny dinika teo ary nanambara ny vadin-tany nentin'i prefe fa efa alina ny andro ka tsy mety intsony. Niangavy ny olona ho tony ihany koa ny ben'ny tanàna ary nampanantena fa tsy hatao ny fanakatonana aloha ka nihoraka ny vahoaka naneho ny hafaliana ; saingy toy ny sosoa voatapo-drano ihany izany satria dia nilaza ireo tompon'adraikitra fa tsy maintsy tontosaina ny fanakatonana fa baiko avy any Mahazoarivo izany ary dia niroso tamin'ny fanapariahana avy hatrany ireo vahoaka sy mpiasa ireo zandary sy miaramila ary ny polisy. nirefotra ny lakrimozeina am-polony , izay nandrakotra ny arabe. Rehefa nisitaka ny olona dia niroso tamin'ny fihanihana ireo fefy ny mpitandro filaminana sy ny vadin-tany ka nanidy ny varavarana tany anatiny sy ny vavahady lehibe fidirana.
RTT sy Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.