Politique

Ny mpitondra mifety be Ny mpampianatra FRAM tsy mahazo vola


  • Sabotsy 24 Desambra 2016

Tanteraka ara-bakiteny ilay hoe “mitango lalitra”, raha dinihina amin’ny mahazo ireo mpampianatra FRAM. Tamin’ny hafatra nalefan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena,

 Paul Rabary tao amin’ny tambajotra ara-tsosialy “Facebook” no nilazany sy nialany tsiny amin’ny mety ho fahadisoam-panantenan’ny mpampianatra FRAM satria tsy voaloa mialoha ny fety ny “subvention” na ny fanampiana ho azy ireo. Tsy mitsahatra kosa ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola amin’ny hamoahana araka izay haingana indrindra, araka ny hafatra nataony. Sady mampalahelo no mahatezitra ny fanaovana tsinontsinona lava ny mpampianatra. Ny minisitera isan-tsokajiny mahavita mizara fanomezana sy mizara vola, ny mpitondra ambony sy ny fianakaviany mahavita mandeha manao fety any andafy, ny miaramila voatambitamby andro aman’alina, fa ny mpampianatra kosa hambaniana sy tsy homena hasina mandavan-taona satria tsy manana basy hampitahorana. Tsy ny any amin’ny ambaratonga fototra ihany fa na ny mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo aza, tsy raharahaina ka ny fifanarahana efa vita ny taona 2009 aza tsy tanteraka mandrak’androany. Akaiky indray izao ilay fety be eny Iavoloha, izay efa mahatezitra ny Malagasy, saingy mbola hanao di-doa indray ny fanjakana hanatanteraka izany. Ny tambin-karaman’ny mpampianatra mandany ny androm-piainany amin’ny fanabeazana ny zaza sy ny tanora Malagasy anefa tsy voaloa. Efa fanjakam-boalavo, ka tsy mikendry afa tsy ny hanakepoka, fa izay mba hitsinjo ny maro an’isa mbola nofinofy.

Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT