Hitsidika mandritra ny roa andro an’i Madagasikara ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana Ban ki Moon. Rahampitso talata izy no higadona eto.
Hatramin’ity alatsinainy ity anefa dia mbola betsaka ny Malagasy tsy mahalala akory izany fitsidihany izany, raha mahalala ihany ny sasany fa tsy manaitra azy. Ampahany amin’ireo olona sendra ny gazety Tia Tanindrazana ireto maneho hevitra ireto.
Tia Tanindrazana : Fantatrao ve ny fitsidihan’Atoa Ban ki Moon eto amintsika dia iza izy raha araka ny fahalalanao ?
Rajao, raim-pianakaviana 60 taona : Fantatro ny andraikiny hoe : Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana. Tsy fantatro kosa anefa izany fahatongavany eto amintsika izany. Sady amiko tsy laharam-pahamehana ilay izy. Ny fahasahiranam-bahoaka izao no tokony hojeren’ny fanjakana satria na ny vary hohanina aza efa manahirana. Tsy hoe tsy tia vahiny isika fa ny adim-piainana aloha izao no tena manahirana ny Malagasy.
Tia Tanindrazana : Handray ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana isika Malagasy amin’ity herinandro ity, fantatrao ve izany ?
Ramatoa Tiana, renim-pianakaviana 40 taona : Tsy haiko na izaho no tsy mahara-baovao na ny fampahafantarana ny fahatongavan’Andriamatoa Ban ki Moon no tsy ampy fa tsy mahafantatra an’izany aho. Mba mpanara-baovao ihany anefa ny tena amin’ny maha olompirenena. Ankoatra izay hitako fa tsy mbola mahamaika aloha izany hatreto. Ny sosialim-bahoaka no tokony hasian’ny fanjakana fijerena manokana fa azo hatao foana izany rehefa mety ny fiainan’ny tsirairay.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.