Ao Toamasina hatry ny omaly ny minisitry ny fifandraisan-davitra, Ny Hasina Andriamanjato.
Ny anton-diany dia ny hametraka miaraka amin’ny minisitry ny fampianarana ambony Razafindehibe Hilaire, ilay fandaharan’asa iarahana amin’ny TELMA amin’ny fametrahana tambajotra matanjaka ara-tranonkalam-pifandraisana hanamorana ny fikaroham-baovao, antontan-kevitra, fampianarana ampitain-davitra ary fifandraisan’ny oniversite tsy miankina sy ny miankina amin’ny fanjakana ary ireo avy any ivelany. Anio no hanaovana ny lanonana ho fametrahana izany ao Barikadimy Toamasina. “Fitaovana raitra no hapetraka mba hifandovan’ny taranaka ao anatin’ny 15 na 20 taona”, hoy ny minisitra Ny Hasina Andriamanjato. Nandritra ny fitsidihana ara-pomba fanajana nataony ny lehiben’ny Faritra Atsinanana Mahavimbina Alain omaly maraina, no nanararaotana ity minisitra zanaka mpanao politika tsy lefy laza ity ary efa hita teo anivon’ny sehatry ny fitondrana nifandimby nanomboka ny taona 90 no ho mankaty, mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny. Nambarany fa “tena ilaina ny fampihaonana atao amin’Atoa Marc Ravalomanana sy Atoa Andry Rajoelina, ny antony dia tsotra satria izy roa lahy ireo no fototry ny olana sy nifanolana ka nahatonga ny krizy eto amintsika.
Mila mifampiresaka sy manao fifanarahana politika matotra sy ho tanterahina ary hampiharina amin’ny tena izy izy roa lahy, ka raha izay no misy sy vita dia mino aho fa hilamina ny raharaha ara-politika sy sosialy eto ary hiroso amin’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra isika atsy ho atsy”. Nolazainy hatrany fa “mila fahasahiana sy fitoniana ary fandraisana fanapahan-kevitra hentitra amin’izy roa lahy izany fihaonana izany. Atoa Ravalomanana efa nilaza fa vonona ary eto an-tanindrazana no hanaovana ny fihaonana, ny andaniny Atoa Rajoelina sy ekipany kosa toa mbola misalasala sy mametraka fepetra samy hafa ihany koa, nefa ny fahoriana sy ny fahantran’ny Malagasy ary ny fikorosofahan’ny firenena efa miharihary tsy azo afenina intsony”. Ho hita eo ilay fihaonana nambaran’ny SADC fa hatao, sy izay ho tohiny momba ity krizy ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.