Politique

Ny Hasina Andriamanjato «Aleoko niala»


  • Talata 12 Febroary 2013

Taorian’ny nanokafan’ny minisitra Ny Hasina Andriamanjato ilay vondrom-bavaka ho fanavotam-pirenena «Gate of Praise» tamin’ny fomba ofisialy ny alahady hariva teo tany Toliara, dia nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tenany omaly manodidina ny hetsika sy ny momba ny raharaham-pirenena.

 Nilaza ingahy Minisitra «fa ny fibebahana sy fiverenan’ny vahoaka malagasy amin’Andriamanitr’i Abrahama ihany no hahatafarina ny firenentsika haingana ho lasa mahery raha mahantra amin’izao noho ny ataon’ireo mpanao politika sy mpitondra manompo tompo roa tia vola sy voabaikon’ny satana, ka anisan’izany ny mpitondra amin’izao ary izany no antony nisintahako tamin’izy ireo satria izaho efa nisehoan’i Jesosy ary mahatsapa fa mikoroso fahana ny firenena, ny vahoaka miha mahantra hatrany». Tsy mpaminany na mpandresy lahatra, hoy izy Ny Hasina Andriamanjato fa iraka fotsiny na dia misy aza ireo tezitra amin’ny zavatra ambarako sy ny fanohanako an’i «Tsaratsara» dahalo niova fo, ka mitondra ny hafatr’ilay Nahary. «Lalàmpanorenana ny Baiboly ka izany no antony hanaovako politika ary izaho irery ihany no naharitra ela nandritra ny 20 taona teo amin’ny fitondrana ary tsy mila manao propangady», hoy ny tenany nanamafy.

 

 

«Mila olona vonona sy vontom-pinoana ary matahotra an’Andriamanitra no afaka hanavotra an’ity nosy ity, ka raha sitrak’ilay Nahary dia izaho ilay olona ho filoha eo», hoy Andriamanjato zanany. Mbola nampiany hoe «Tsy basy na tafondro fa fiderana sy fibebahana izay lamin’asa avy amin’Andriamanitra no hanavotra ny firenena» ary tonga hatramin’ny filazana, fa «raha mandray an’i Jesosy Kristy ho Tompo ny filoha teo aloha Ravalomanana dia hiverina eto an-tanindrazana». «Mibebaha isika fa ho avy ny fandringanana. Mila mihavana ny fiangonana, ny mpanao politika ary mifamela heloka ny rehetra. Mila sokafana haingana ihany koa ny haino ama-jery nakatona, indrindra ny radio evanjelika », hoy hatrany ity minisitra niova fo izay mpanongam-panjakana tamin’ny taona 2009 ity. Raha nanontanian’ny mpanao gazety ny tenany momba ny fifidianana sy hivoahantsika amin’ny krizy dia tsotra no navaliny : «ho krizy foana no hisy eto raha tsy miova fo sy miofo ho olom-baovao indray ny mpanao politika».

 

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT