Politique

Ny firenena sahirana Ny mpitondra miliba


  • Talata 17 Oktobra 2017

74 no efa matin’ny pesta hatramin’izao. Ao anatin’ny fisaonana tanteraka ny firenena noho ny nahalasan’ny Pr Zafy Abert, Raiben’ny demokrasia sy ny fampihavanam-pirenena. Ny delestazy miha mahery vaika andro aman’alina kanefa ny faktiora lasa avo roa heny

Afa-baraka tanteraka ny minisi-panjakana misahana ny fambolena sy ny fiompiana sy ny fambolena Rivo Rakotovao niaraka tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Henry Rabary-Njaka, izay mbola niliba sy niedinedina tamin’ny fijerena fampisehoan’ny tarika Mahaleo tany Parisy Frantsa na dia efa mandalo fotoan-tsarotra aza ny firenena. Hamonjy ny andro iraisam-pirenena momba ny sakafo tany Rome Italie sy hihaona amina manampahefana any an-toerana no tena anton-dia saingy nipoitra ny nafenina. Mbola nanam-potoana nanaovana fiainana tany Frantsa aloha. Raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana, dia tratry ny horakoraky ny Malagasy mpila ravinahitra any Frantsa ry Rivo Rakotovao sy Henry Rabary-Njaka nandritra ity seho nataon’ny tarika Mahaleo ity. Tsy nahajery ny vahoaka fa toa nitanondrika satria tratry ny be noho vitsy, ary nibaby fahafaham-baraka mihitsy nandritra ny fampisehoana, hany ka nijaingijaingy nandao ny toerana nisian’ny lanonana. Tsy tompon-trano mihono amin’ny fahorian’ny firenena rahateo ireo Malagasy any ampitan-dranomasina, ka vao nahita ireto oloben’ny fitondrana nampiseho ny hagegeny dia tsy nitsitsy tamin’ny tsy fankasitrahana.

Afa-baraka Rajaonarimampianina

Miteraka adihevitra lehibe hatramin’izao ny tsy nanatrehan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny fanomezam-boninahitra ny vatana mangatsiakan’ny Profesora Zafy Albert, filoha telo aloha, izay nodimandry. Any Rome Italie ny tenany, ary nilaza fa amin’ny fotoam-pandevenana no hiezaka ny ho avy. Ireo filoham-panjakana teo aloha 3 mirahalahy (Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina) kosa teo hatrany nanome voninahitra ity zokibe Rain’ny demokrasia sy ny fampihavanana. Mazava ho azy fa naleon’ny filoha am-perin’asa nanohy ny programa efa nomaniny, ka nambarany fa, fa “Asa no atrehina aty Roma ary hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny governemanta Italianina”. Nanatrika ny lanonana fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny sakafo tany amin'ny foiben'ny FAO ny tenany. Fanontaniana mipetraka hatramin’izao ny hoe zavatra tsy azo nampandeferina mihitsy ve ny tany tany Rome ? Tena hisy fiantraikany amin’ny fiainan’ny Malagasy mihitsy ve ny zava-nisy tany, ka toa natao tsinontsinona sy tsy norarahiana tsotr’izao ny momba ilay Ray aman-dreny be teto amin’ny firenena izay sokajiana ho tsy manam-paharoa kanefa nandao sy lasan-ko razana? Efa firifiry ny tany ivelan’ny nataon-dRajaonarimampianina sy ny ekipany saingy ny volam-panjakana fotsiny no lany nilibana. Isan’ireny, ohatra, ny Fikaonan-doha tamin’ny mpamatsy vola tany Parisy ny 1-2 desambra 2016, izay nampanantenana volabe 10,6 miliara dolara, ary nireharehan’ny HVM fatratra kanefa tsy nipotsaka ny vola satria fanjakana tsy atokisana no eto.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT