Politique

Ny Amiraly Ratsiraka miteny : “Mafonja !”, hoy ny Printsy Elakovelo


  • Zoma 13 Janoary 2012

Niala tamin’ny fahanginany ny Printsy Elakovelo, manoloana ny zava-misy eto firenena amin’izao fotoana izao.

 Nambaran’ity mpikatroka Arema ity fa mihazakazaka ny raharaham-pirenena nefa tsy mety tafavoaka ny krizy isika, fa toa vao mainka aza savorovoro no iainan’ny Malagasy isan’andro. Marefo ny fiarahamonina. Ireo izay miteny toa vao miha mamendrofendro, eny mandrahoana aza tsy ahazoana antoka hisian’ny fitoniana. Koa amin’izao kihon-dalana lalovan’ny firenena izao dia «mitady zavatra azo antoka ny Vahoaka malagasy, ary mila zavatra azo tsapain-tanana hivoahana amin’ny krizy», hoy ny Printsy Elakovelo.

Notsiahiviny fa tamin’ny fandalovan’ny Amiraly Ratsiraka teto Madagasikara dia sokajin’olona maro no tonga nanatona sy nifampiresaka taminy. «Maro ny tsiambaratelo nivoitra tao anatin’izany. Tsiambaratelo izay vahaolana hivoahana amin’izao krizy mampikatso ny firenena izao», hoy ny Printsy Elakovelo. Tamin’ny teny feno fahatokisana no nilazan’ity farany ny fifampitokisana napetrak’izao tontolo izao amin’ny Amiraly Ratsiraka. Tsy tafita anefa io, araka ny nambarany ihany, raha tsy tanterahina ny “conférence au sommet” na ilay fihaonana an-tampony andraisan’ireo filoham-pirenena telo voafidim-bahoaka anjara miaraka amin’ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita sy ireo hery velona eto amin’ny firenena. Efa mazava amin’ny Malagasy fa ny amiraly dia ela nitantanana an’i Madagasikara, ka mahalala tsara ny fanafana amin’izao krizy izao, hoy ny Printsy Elakovelo. Mpitondra nahavita be teto izy, hoy izy nanamafy. Tsy vita hotanisaina fa ny lehibe sy mafonja dia ahazoana antoka ny faneken’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola, ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny amiraly Didier Ratsiraka. Zava-dehibe ny fanatanterahana io fihaonana an-tampony io, izay tsy manavaka na fikambanana na antoko politika, hoy ny Printsy Elakovelo manamafy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT