Politique

NOTAM-n’ny FAT Fanompana ny Malagasy sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena


  • Alatsinainy 23 Janoary 2012

Manoloana iny fanakanan’ny FAT tamin’ny minitra farany ny prezida Ravalomanana tsy hody eto an-tanindrazana iny dia samy nanana ny nandraisany azy ny tsirairay.

 Manandafy Rakotonirina : “Raha zakan-dRajoelina samirery dia aleo entiny samirery. Ho avy ny fihaonan’ny Vondrona Afrikanina dia ho hita eo. Iny fihetsik’i Andry Rajoelina iny aloha dia hanamafy ny sazy ho an’i Madagasikara”.

Constant Raveloson : “Anjaran’i Andry Rajoelina no miala. Misy didy aman-dalàna azo hamaizana ny mpanatanteraka. Ny fandraisan’i Andry Rajoelina azy dia ohatra ireny misy fahavalo manafika ireny isika kanefa izahay sy Andry Rajoelina dia andalana iray no maha ao anaty tetezamita anay ary ny sori-dalana no maha- filohan’ny tetezamita an’i Andry Rajoelina. Hiova hafa indray ny fomba fiady manomboka eto”.

Ranaivoson  Henri Roger : “Iny NOTAM iny no hamarana ny dingana rehetra. Hanapotika ny fahitan’izao tontolo izao an’i Madagasikara ary hita fa tena mirefarefa amin’ny tany ny fomba fisainana. Fanompana ny vahoaka Malagasy sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ireny ka anjarantsika ny maka fehin-kevitra. Noterena am-panajana izahay niditra tao amin’io rafitra io kanefa rehefa tsy mety dia tsy mety”.

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT