Sabotsy 21 janoary 2011, nanodidina ny mitatao vovonana teo, nilatsaka tampoka ny NOTAM manakatona ireo seranam-piaramanidina lehibe eto Madagasikara, ka akaiky an’i Johannesbourg, dia ny Aéroport-Ivato, Mahajanga, Toamasina, Toliara, Tolagnaro.
“PHAT INSTRUCTION – AERODROME CLOSED” no votoatiny. Miharihary amin’io fa baikon’ny filohan’ny FAT no nanakatonana ireo seranam-piaramanidina ireo. Tsy ho heviny samirery anefa io fa fantatra fa totoafo ny fivorian’ireo lohandohany amin’ny UDRC sy ny tandapa teny Iavoloha teny, tamin’ny faramparan’ny herinandro iny, ary azo antoka fa nanoro hevitra an'i Andry Rajoelina hanidy seranam-piaramanidina io. Amin'ireo seranana akaiky dia tsy voakasik’io fanakatonana io i Fianarantsoa, Morondava ary Nosy Be. Ara-teknika dia mazava ny antony. Fohy ny “piste” ao Morondava ka tsy ho tafapetraka ao ny fiaramanidina karazany “avion à réaction” toy ny an’ny kaompania Airlinks, nandehanan’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny sabotsy iny. Ankoatra izay, ny “piste” ao Morondava dia nisy fahasimbany taorian'ny rivodoza nifanesy ka tsy mahazaka fiaramanidina mavesatra sy “à réaction” izay mila halavana bebe kokoa hijanonana.
Azo an-tsaina tsara izany fa ny hamono ireo olona tao anaty fiaramanidina no tetika. Fikasana handatsaka aina no nataon'ireto jiolahy ambony latabatra ireto. Ny ao Fianarantsoa indray dia sady kely ny “piste” no raha nidina tao ry zareo dia tokony ho nidina aloha kokoa satria mila fotoana 30 minitra ny fidinana ao. Ho an’i Nosy Be indray dia ratsy ny andro tamin’ny io fotoana io ary raha nanandrana nidina tao ilay fiaramanidin’ny Airlink dia tsy nanana solika (kérosène) intsony nahafahana nandehanana tany Afrika Atsimo na Mozambika. Fikasana handatsaka aina izany. Farany, tsy ny hisambotra an’i Dada no nokasaina fa ny hamono azy sy ireo vahiny niaraka taminy mihitsy. Nahagaga ny mpahay momba ny fitaterana ana habakabaka ihany koa ny hoe ahoana efa 10 minitra mialoha ny fidinanana no navoaka tampoka ilay NOTAM ? Izay no mahatonga ny teknisianina hilaza fa fikasana hamono ny filoha Marc Ravalomanana tsotra izao ireny.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.