Politique

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert


  • Zoma 06 Desambra 2019

« Ny rariny sy ny hitsiny no tokony hapetraka, raha efa nisy hatry ny fahagola ireo nosy dia tsy ilana adihevitra akory ny maha Madagasikara azy.

 

 Azo ambara ho Frantsa kosa izy raha tamin’ny andron’ny fanjanahana sy nanjakàn’ny Frantsay teto no nisondrotany ambony ranomasina », hoy Ny Andriana Robert Randrianantoandro mpitahiry ny Hasim-piandrianan’i Madagasikara amin’ny Tranoben’Imerina. Ny Rariny na « légitimité » tsy tokony hafangaro amin’ny Ara-dalàna na « légalité » amin’ny resaka toy izao. Maro ireo nosy kely manodidina toy ny Nosy Komba sy Sainte Marie ary Maroantsetra kanefa ambara ho Madagasikara. Fanaovana tsinontsinona ny tantaran’i Madagasikara hatramin’ny niforonany, araka izany, io adihevitra atao io ary manaiky ataon’ny Frantsay kilalao isika amin’izany. Ireo mpikaroka sy mpahay tantara ary ireo avara-pianarana omban’ny mpitondra firenena dia manana adidy amin’ny fiarovana ny tanindrazany ka tokony hahaporofo ny fifandraisan’ireo nosy ireo amin’i Madagasikara. Ho an’ny Raiamandreny ara-drazana dia an’i Madagasikara ireo nosy manodidina ka tsy tokony handaniam-potoana amin’ny adihevitra maro samihafa hanadala ny saim-bahoaka.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT