Hiverina amin’i Madagasikara amin’ity taona ity ireo Nosy Malagasy raha miara-mientana ny vahoaka malagasy masi-mandidy.
Izany ny fanambarana lehibe nataon’ny Association Nosy Malagasy (ANM) nandritra ny famelabelarana nataon-dRtoa Ramaroson Arlette, Filoha nasionalin’ny ANM sady Mpitsara Iraisam-pirenena teo aloha teny amin’ny Grand Amphi DEGS Ankatso ny zoma 3 jona 2016 teo. Tonga maro ireo manampahaizana mpikambana ao amin’ny « Groupe des Experts et Scientifiques Consultants » (GESC) izay nanasa ny ANM sy ireo olo-manankaja ary mpianatra nanatrika ny fotoana.
Raha namelabelatra ny lohahevitra hoe : « Nosy malagasy sy ny lalana iraisam-pirenena » Ramatoa Ramaroson Arlette dia nampahatsiahy fa “Ho fampiharana ny lalàna tamin’ny 6 aogositra 1896 dia ny «Acte du 31 octobre 1897» no namaritra fa zanatany frantsay i Madagasikara sy ireo Nosy malagasy ireo : Juan de Nova, Bassas de India, Glorieuses ary Europa. Niankina tamin’ny « Province de Tananarive » ireo Nosy ireo tamin’ny 1921, avy eo dia tamin’ny « Province de Morombe » (1930), ary farany tamin’ny « District de Nosy Be » (1932). Tsy nohajain’ny fitondram-panjakana frantsay, hoy izy, ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fiverenan’ny fahaleovantenan’ny tany voazanaka sy ny zon’ny Vahoaka malagasy satria raha nomena ny fahaleovantena ny Malagasy tamin’ny 26 jona 1960 dia notsoahin’ny Frantsay tamintsika ireo Nosy Malagasy ireo tamin’ny alalan’ny didim-panjakana laharana faha- 60-555 tamin’ny 1 aprily 1960 ary lasa teo ambany fiadidian’ny Ministère d’Outre-mer ary ny Préfet de la Réunion no niandraikitra ny fitantanana azy ireo hatramin’izao. Notohizan’ny fitondram-panjakana frantsay izany politikam-panjanahana izany ary vao mainka nogejainy ho anisan’ny « Terres Australes Françaises » (TAF) ireo Nosy malagasy.
Tamin’ny alalan’ny Fehin-kevitra 34/91 tamin’ny 12 desambra 1979 dia nofaritan’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana mazava tsara fa an’ny Malagasy marina ny “Iles éparses” izay nantsoiny hoe : Nosy Malagasy ka toy izao no vontoatin’ilay fehin-kevitra : Hamafisina ary tsy maintsy hajaina toy ny anakandriamaso ny firaisam-pirenena sy ny tsy fanekena ny anombinana ny tany voazanaka amin’ny fotoana izay hahazoana ny Fahaleovantena. Manasa ny governemanta frantsay hanao fifampidinihina tsy misy hatak’andro amin’ny governemanta Malagasy momba ny famerenany ny Nosy Malagasy izay notsoahina amboletra tamin’i Madagasikara. Mangataka ny governemanta frantsay hanafoana ny fepetra manohintohina ny fiandrianam-pirenena malagasy sy ny maha iray tsy azo hanombinana an’i Madagasikara. Mangataka ny Sekretara Jeneralin’ny Firenena Mikambana hanaraka akaiky ny fampiharana fehin-kevitra efa notinapaka. Niantso ny finoana sy ny fitiavana ny tanindrazana ny Filoha nasionalin’ny ANM satria “tsy tara velively akory ny handraisantsika andraikitra amin’ny famerenana an’ireo nosy ireo”. Raha araka ny lalàna iraisam-pirenena, hoy Rtoa Ramaroson Arlette dia misokatra ho antsika malalaka ny fomba ahazoana ireo nosy ireo.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.