Nohetraketrahina indray ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha nanao fitsidihana tany Toliara ny sabotsy lasa teo. Nisy andian’olona nokaramaina manokana hisakana ny fahatongavany tany an-toerana, tao amin’ny seranam-piaramanidina.
Nitondra taratasy mitovy avokoa ny soratra ao aminy, izay azo adika avy hatrany fa nozaraina niaraka tamin’ny karama tamin’ity asa fanakanana sy fihetraketrahana niampy fandrahonana ity. Minisitra iray ao anatin’ny governemanta no voalaza fa tao ambadik’ity fanangonan’olona voakarama hisompatra an’i Marc Ravalomanana ity.
Tsy arakaraka izay anefa fa nisy ihany ny fihaonany tamin’ireo vahoaka maro tao an-toerana ka olona tsy tambo isaina no nitsena sy nandray azy. Fihaonan’ny tia sy ny manina no nisy tao an-toerana na dia nisy aza ny sompatra nenti-nanaratsy endrika ny filoha teo aloha. Tsy nahasakana azy tsy hihaona tamin’ny vahoaka ny fanakaramana andian’olona hanatsatso sy hihetraketraka azy ka nivoizana ny hoe tsy mila an’i Marc Ravalomanana i Toliara. Ny nifanohitra tamin’izay anefa no nisy. Tsy misy lalàna mandrara ny Malagasy iray hivezivezy eto amin’ny taniny, saingy izao no indray no fomba fiady sy fihetsika vaovao hamotehana kandida amin’ny fifidianana. Toerana saropady ny seranam-piaramanidina fa tsy nisy ny fandraisana fepetra toy ny fandravana an’ilay hetsika. Efa fihoaram-pefy sy fandikan-dalàna ity niseho ity, saingy vitavita ho azy. Toa takontakonana fotsiny amin’ny hoe demokrasia na efa fihetsika entina hivoizana fampiadiana sy fifandranitana eo amin’ny Malagasy aza. Raha sanatria ka nisy ny fihoaram-pefy toy ny fandoran-javatra dia iza no homen-tsiny sy hohenjehina ? I Marc Ravalomanana izay manana zo feno hivezivezy eto Madagasikara ve sa ny mpitondra mihetraketraka amin’ny fahefana ananany ka manaotao foana ? Nitohy omaly ny antsojay, ka nosakanana sy tsy navela hanao fifampiarahabana tratry ny taona ny antoko TIM tao amin’ny Magro Toliara. Nanaovana ramatahora ny mpitarika, nalaina ny fanamafisam-peo, natosika hivoaka ny olona, notapahana ny tambajotran-tserasera na ny “réseaux telephoniques”. Toerana manokana sy an’olon-tsotra ary tsy manelingelina ny filaminam-bahoaka araka izany no saika hanaovana ny fihaonana, saingy nandeha ihany ny gafy sy ny hetraketraka. Na izany aza tsy nisy ny korontana fa nanaraka ny filoha Ravalomanana nody ireo vahoaka tsy tambo isaina. Manaratsy tena toy ny omby hatsika anefa ny fitondrana, izay mihevitra fa ny figafiana sy famotehana olona iray no hahafahana mifikitra amin’ny seza sy hanerena ny Malagasy hisotro ny rano tsy tiany. Arakaraka ny hanenjehana sy hamotehana an’i Marc Ravalomanana anefa no hanohanan’ny vahoaka azy satria fantatry ny rehetra ny efa nataony sy ny mbola ho vitany amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Raha mahatoky ny valerany ny HVM dia mamela ny rehetra hirotsaka ary manaiky fitsipi-dalao mazava iaraha-manapaka sy fifidianana mangarahara dia aleo ny tantara no hitsara. Rehefa tsy manaiky izay dia ao raha !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.