Politique

Norbert Lala Ratsirahonana Tsy fantatra indray izy ho tohanany…


  • Zoma 23 Febroary 2018

Tsy mbola niteny aloha fa mody nipoipoitra tetsy sy teroa fotsiny. Ny mpanara-baovao kosa anefa etsy ankilany miandry izay higadonany, hoy ny fitenenana, ary dia hanongilan-tsofina tsy ho ela hihaino indray izay hametrahan’ny filohan’ny antoko Asa vita no hifampitsarana na ny AVI, Norbert Lala Ratsirahonana, indray.

 

  Mety efa manambara zavatra ve ny fahitana azy nandritry ny fifampiarahabana tratry ny taona teny Iavoloha ny 5 janoary teo sy ny nanotronany ilay fampahafantaran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny Vina fisandratana 2030 ny 25 janoary teo teny an-dapa hatrany? Tsy hita nefa ny tenany nandritry ny fampahafantaran’ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, ilay vina IEM naranty tany Parisy sy tetsy Ivandry farany teo. Saika tao ambadika hatrany ary fanta-poko fanta-pirenena fa atidoha nikotroka ireo korontana nisy teto amin’ny firenena hatramin’izay mihitsy aza ity mpanolontsaina manokan’ireo mpitondra nifandimby ity. Teo izy tamin’ny 1972, 1991, 2002 ary 2009. Fanontaniana mipetraka ny hoe aiza indray izany no hametrahany ny tongony amin’ny fifidianana manaraka eo satria dia nisy ny tsilian-tsofina nandrenesana fa efa nisy ny fotoana nihaonany tamin’ny ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana 

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT