Retirety politika ? Tsy mbola nanao fanambarana ofisialy fa nisintaka teo amin’ny sehatra politika i Norbert Lala
Ratsirahonana saingy ny zava-misy dia nangina tanteraka izy, indrindra taorian’ny nisamatsamahan’ny antokony AVI (Asa Vita no Ifampitsarana) rehefa tsy nahavita nandrotsaka kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013. Lasa nanaraka an’i Hajo Andrianainarivelo nanatevina ny MMM (Malagasy Miara-Miainga) ireo lohandohany tao amin’ny AVI toa an’i Laurent Ramaroson, Rabenirina Jean-Jacques. Ny sasany lasa tany amin’ny TGV-MAPAR toa an-dry Nirhy Lanto Andriamahazo. Dr Ndahimananjara Johanita, minisitry ny rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana ao amin’ny governemanta Ravelonarivo aza moa tsy fantatra intsony na AVI na MAPAR na HVM ? Malaza ho mpanala sy mpametraka mpitondra i Norbert Lala Ratsirahonana. Nataony i Marc Ravalomanana. Nanamafy ny fandresen’ity farany tamin’ny “1er tour de vita” tamin’ny 2001, dia ireny tamin’ny 2009 ireny no niafarany. I Norbert Lala Ratsirahonana no niketrika tamin’ny fomba rehetra ny taratasy nametrahana an’i Andry Rajoelina teo amin’ny tetezamita. Mbola izy koa no tao ambadiky ny fiketrehana ny Lalàmpanorenana 2010 niteraka an’izao Repoblika faha-4 izao na dia nisy komity manokana (Comité Constitutionnel Consultatif) napetraka hisahana izany aza, izay notarihin’i Florent Rakotoarisoa. Nisy nanantena fa ho anisan’ireo Senatera 21 hotendren’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina amin’ny anjarany i Norbert Lala Ratsirahonana, ho fankasitrahana azy, fa tsy izay no nitranga. Nisafidy an’ny mpahay lalàna Honoré Rakotomanana ny filoha. Teo dia efa nanamarika ny mpandinika politika fa voafafa tsikelikely i Norbert Lala Ratsirahonana. Toa manamafy izany ny fanamarihana nentin’i Honoré Rakotomanana, taorian’ny nahavoafidy azy ho filohan’ny Antenimierandoholona omaly, fa betsaka ny tsy fetezana ao anatin’io Lalàmpanorenana io ka mila fikitihana, hisian’ny fitoniana politika. I Norbert Lala Ratsirahonana no voatohintohina amin’izany. Ny fikitihana ny lalàmpanorenana anefa dia midika famafana ny anaran’i Norbert Lala Ratsirahonana. Raha tonga amin’izay dia efa izay izany no vita ny aminy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.