Politique

Norbert Lala Ratsirahonana Frankofonia vao nipoitra


  • Alatsinainy 28 Novambra 2016

Niseho vahoaka indray ny filohan’ny antoko Asa Vita no Ifampitsarana (AVI), Norbert Lala Ratsirahonana, ny sabotsy teo nanatrika niaraka tamin’ireo filoham-pirenena nandray anjara tamin’ny frankofonia, ny fandraisam-pitenenana nataon’ny filoham-pirenena frantsay, François Hollande, tetsy amin’ny CCI Ivato.

Niara-nanotrona taminy moa ny filoham-pirenena teo aloha, Ravalomanana Marc ary teo anilan’ity filohan’ny AVI ity ihany koa ny filohan’ny tetezamita farany teo, Andry Rajoelina. Samy mbola mahagaga ny mpanara-baovao aloha hatreto ny fahanginan’ity mpahay lalàna sady mpanao politika nanamarika ireo fanonganam-panjakana niseho teto amin’ny firenena ity. Mahagaga ihany koa ny fahanginan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha sy ny nampiatoany ny fitetezam-paritra izay tena nandrasan’ireo mpanara-baovao fatratra tokoa. Mandeha ny feo fa efa misy ny toromarika any ambadibadika any mahatonga ny fahanginana. Ny zavatra hita hatramin’izay aloha dia tsy mipoipoitra fahatany tsy amin’ny antony ny mpanao politika nametraka tantara tahaka itony.

Mirija   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT